La Gazette de la grande ile

Lavamaso

Publié le 23 octobre 2021

Tafahaona ireto mpisakaiza niara-nianatra rehefa ela tsy nifankahita. Rehefa vita ny fifanatsafana, dia nivadika ny resaka.

– Ary mba efa nifankahita tamin’i Zefa ilay niara-nianatra tamintsika tao amin’ny kilasy Terminaly, ve, ianareo e ?

– I Zefa Bôgôsy ve ?

– Iny indrindra !

– Efa nanambady iny !

– Marina ve ?… Ka iza, hono, no vadiny, r’ise ?

– VEHIVAVY, r’ise ! hoy Razily.

– Ny anarany, anie, no tiako ho fantatra, fa AIZA, MOA, NO HISY OLONA HANAMBADY LEHILAHY !

– Misy dia misy tokoa, f’ise angaha ahoana ?

– Iza koa no HANAMBADY LEHILAHY, hoy ise?

– NY RENIN’ISE, kah !

– ???

Lire aussi