La Gazette de la grande ile

Siteny Randrianasoloniaiko : Nihaona tamin’i Marco Randrianisa tany Frantsa

Publié le 25 octobre 2021

Niteraka resabe teto amintsika, ny volana mey lasa teo, ny raharaha momba ilay teratany malagasy monina any Frantsa antsoina hoe Marco Randrianisa. Raha tsiahivina dia anisan’ireo diaspora manohitra ny fitondrana Rajoelina miaraka an’i Fanirisoa Erinaivo ity raim-pianakaviana ity, ary nanao antso avo izy mba hanaovana fitsaram-bahoaka ny filoha Andry Rajoelina sy ny vady aman-janany. Namoaka didy fampisamborana azy mihintsy moa ny fitondram-panjakana malagasy noho izay antso nataony izay. Andro vitsy lasa anefa izay dia fantatra fa nihaona tamin’i Marco Randrianisa tao amin’ny trano fonenany tany Frantsa i Siteny Randrianasoloniaiko araka izao hita amin’ny sary izao. Tsy fantatra mazava moa ny tena anton’ny fihaonana fa ny azo antoka aloha dia tsy maintsy resaka politika. I Siteny Randrianaoloniaiko izay efa fantatra fa hilatsaka kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2023. Ny mahagaga dia olona namoahana didy fampisamborana teto amintsika i Marco Randrianisa kanefa tahaka ny olona tsy manan-tsiny mihintsy an’ingahy fiohan’ny federasionina afrikanina ny Judo.

F.Tsihiavonana

Lire aussi