La Gazette de la grande ile

Tranoben’ny kolontsaina : Tsy nahafaly ny mponina ny tao Ambatondrazaka

Publié le 26 octobre 2021

Nanaitra sy nampimenomenona ny mponina ao Ambatondrazaka ny nahita ireo hazo ravaky ny tanàna nokapaina izay nipetraka teo akaikin’ny tranomben’ny kolontsaina sy ny serasera vao natsangana. Hazo izay marihana fa efa am-polo taona maro no naniry teo an-toerana kanefa dia nesorin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny serasera avokoa. Raha fehezina ny resaky ny olona nahita ny zava-nitranga dia « manao fihavin’ny tafara » no nataon’ny ministeran’i Mama sôsy  tamin’izao fanimban-javatra izao. Tsy vitan’ny notapahina ireo hazo mantaly fa nongotana hatramin’ny fakany mihintsy. Tsy ny mponina ihany moa no tsy nankasitraka izany fa na ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny tanàn’Ambatondrazaka aza dia naneho ny alahelon’izy ireo ihany koa.

Lalao R

Lire aussi