La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday : Tsy azo ianteherana ny vola avy any ivelany

Publié le 26 octobre 2021

Ao anatin’ny vanim-potoana iheverana ny fameloma-maso ny tontolom-pihariana ny rehetra ankehitriny, indrindra fa taorian’ny fahasahiranana tsy maintsy niainana noho ny fandalovan’ny aretina Covis 19. Niaraha-nahita sy niaraha-niaina mantsy ny fikatsoana ara-pihariana teto, toy ny tany ampita rehetra tany, satria tsy maintsy nihiboka ka nitsahatra ny fandraharahana.

Amin’ny maha-firenena mahantra antsika dia fantatra fa ny vola ampiasaina no tena olana, na manana harena aza isika. Io vola ampiasaina na ahodina eo amin’ny sehatra ara-pihariana io no antsoina hoe “fampiasam-bola” na “investissement”. Rehefa hampiasa vola, raha ny tsapa tato anatin’ny 20 taona farany izao, dia haingana kokoa ny fivoarana ara-toekarena iray raha misy mpanam-bola avy any ivelany mitondra vola ampiasaina  mivantana eto. Io ilay antsoin’ny mpahay fihariana hoe “IDE” “Investissement direct etranger”.

Manangana orin’asa eto ilay mpampiasa vola dia mamorona asa ho an’ny tsy an’asa satria misy asa ataony eto. Efa tafiditra ao anatin’ny famoronana harena izany. Io no nandrandraina, indrindra fa nahazo vahana tato anatin’ny 30 taona eo ny fisintahan’ny fanjakana amin’ny tontolon’ny fihariana na ny “disengagement de l’Etat en matière economique”.

Raha ny tatitra navoakan’ny rafitra iraisampirenena momba ny toekarena sy varotra antsoina hoe “CNUCED” dia nihena ny faharisihan’ny mpampiasa vola avy any ivelany mandeha mitondra ny volany ampiasaina any amin’ny firenena hafa”. Raha nahatratra 474 dolara ny vola nampiasaina mivantana avy any ivelany tamin’ny taoma-piasana 2019 dia nihena ho 359 tapitrisa dolara izany ny taona 2020, ary azo antoka fa mbola nihena izany tamin’ity taona 2021 ity.

Ny dikan’izay, tsy afaka hiantehitra amin’ny fampiasam-bola avy any ivelany isika raha mihevitra ny fanarenana ny toekarem-pirenena sy raha mieritreritra ny famoronana asa ho an’ny tanora tonga eo amin’ny tsenan’asa.

Raha mahay mandinika ny toe-draharaha koa anefa isika na raha mba nahay nisintona lesona tamin’ny famakafakana nateraky ny fandinihana ary namoaka lahatsoratra an-gazety momba izany, dia tsy voatery ho niandry itony tatitry ny CNUCED ity vao hahazo antoka ny raharaha misy. Izahay teto dia efa nanipika tany amin’ny volana jolay 2020 tany fa ho henjana ny vaikan’ity aretina coronavirus ity satria na ny firenen-dehibe noheverina ho tsy tratry ny aloka aza dia tena sahirana tokoa, ary ny tontolo ara-toekarena tany amin’izy ireny izay nikatso noho io aretina io dia tsy maintsy hitera-pahavoazana amin’ny tontolo ara-toekarena aty amin’ny firenena mahantra na vao miana-mandeha. Tamin’izany izahay dia efa nanamarika teto fa ny famokarana sakafo amin’ny alalan’ny fambolena sy fiompiana no lalan-kivoahana satria fotoana fohy ihany dia mahavokatra an’ireo. Ny tombontsoa voalohany azo avy amin’izany dia mba mihena ny famoahana vola vahiny anafarana sakafo, na vary ihany aza. Mamorona asa koa io ho an’ireo very asa noho ny fikatonan’ny toeram-piasana, ary raha mahay mametraka vahaolana matotra sady mahomby isika dia afaka misehatra eo amin’ny tontolo iraisampirenena, ankoatry ny fiantohan’ny vokatra ara-pambolena ny akora fototra ahodin’ny indostria misehatra amin’izany. Ho aiza izany izao ireo mpiankin-doha amin’ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany ?

Ralay

Lire aussi