La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday : Aoka tsy hiankin-doha lava e !

Publié le 04 novembre 2021

Iankinan’ny ho avin’ny zava-manana aina maneran-tany  ny akon’ny fahombiazan’ny fiarovana ny tontolo iainana. Izany no antony mahatonga ny Fianakaviambe iraisampirenena ho mifamory amin’ny alalan’ny antsoina hoe “COP” ka ny “Cop faha-26” no atao any Ecosse amin’izao  fotoana. Mandray anjara amin’izany ny Malagasy ka ny filohampirenena Rajoelina mihitsy no nitarika ny solontenam-panjakana Malagasy niatrika sy nandray anjara tamin’izy io. Efa nandray fitenenana teo anoloan’ny mpivory ny filoha Rajoelina ny talata teo, ary navoitrany ny tokony hampiharan’ny Firenen-dehibe ny fanekena nataon’izy ireo tamin’ny “Cop 21”. Tsy inona io faneken’ny firenen-dehibe io fa ny hoe “saika ny vokatry ny zavatra nataon’ny firenen-dehibe, toy ny fijoroan’ireny orin’asa indostrialy lehibe mamoaka etona maloto sy ny fikapana hazo tsy nisy fandanjalanjana sy ny tranga maro samihafa no niteraka izao fahapotehan’ny tontolo iainana izao”. Dia nanaiky ny firenen-dehibe ny handoa vola hatramin’ny 100.000 tapitrisa dolara (100 Miliara dolara) mba hanarenana ny fahavoazana, indrindra fa ny fahavoazan’ny firenena madinika toa an’i Afrika, ary isan’izany i Madagasikara.

Io faneken’ny firenen-dehibe io no notsiahivin’ny filoha Rajoelina mba hotanterahin’ireo firenen-dehibe. Tsy misy tsininy mihitsy ny fampahatsiahivana na fitakiana ny faneken’ny firenen-dehibe toa izany, ary tena adidin’izy ireny ny miatrika ny fanarenana ny fahapotehana sy fahavoazana vokatry ny nataony.

Etsy ankilany, tsy bitika na kely noho ny fandrotsahan’ny firenen-dehibe an’io vola 100.000 tapitrisa dolara (100 Miliara dolara) io ny ezaka sy fanentanan’ny firenena tsirairay ny olom-pireneny ho amin’ny fampahombiazana ny fiarovana ny tontolo iainana. Manomboka amin’ny fanentanana ny tsy hikapana hazo  tsy voalanjalanja io, ary mipaka hatrany amin’ny fanentanana ny tsy handoroana tanety. Ao anelanelan’izany ny fampiasana ireo kojakoja ho fampihenana ny fikapana hazo, toy ny fampiasana solika azo avy amin’ny mangahazo na fary (ethanol), ny tsy fampiasana ireo etona mamotika ny hosona ozona… hatramin’ny fambolen-kazo.

Tokony ho vitan’ny herin’ny firenena tsirairay ny fanentanana ny olom-pirenena ao aminy fa matoa tsy mahomby izany dia na tsy itokisan’ny olom-pirenena ny mpitondra na tsy manana politikam-pirenena mahomby ho amin’ny tontolo iainana ilay firenena, na mahazo laka kokoa ny hevitry ny tsy fankasitrahana ny mpitondra. Tsy tokony hadinoina fa ny fanadihadiana  dia nampivoitra hatrizay fa ny ampahany amin’ny antony mahatonga ny olona “ratsy saina” (???) handoro tanety dia mba hanehoany ny tsy fankasitrahany ny mpitondra. Ny famaizana hentitra an’izay tratra mandoro tanety no voalohany ao anatin’izany

Tsy tokony hahazo laka anefa izany raha matotra ny politikam-pirenena ho fiarovana ny tontolo iainana satria tokony ho voasoroka amin’ny fametrahana antilim-bohitra manara-maso ny mpandoro tanety, indrindra fa amin’ireo faritra arovana ny fisainan’ny sasany handoro tanety. Ao anatin’izany koa ny fampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka satria mitana anjara-toerana amin’ny fitomboan’ny olona mandrava ny tontolo iainana ny fahantrana.

Ralay

Lire aussi