La Gazette de la grande ile

PPN 20 sambo : Aza atao kobaka am-bava !

Publié le 04 novembre 2021

Rehefa niverina avy any Frantsa sy Etazonia ny filoham-pirenena, ny 28 septambra lasa teo, dia teny nataony tamin’ny fahatongavan’ny teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny hoe “hanafatra sambo 20 hitondra PPN ny fitondram-panjakana mba hitsinjovana ny vahoaka sy manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana eto amintsika”. Malagasy maro moa no faly tamin’izany satria io fisondrotry ny vidim-piainana io no anisany tena mampikaikaika ny vahoaka, ankehitriny. Raha ny menaka fotsiny ohatra no resahina dia tafakatra 15.000 ariary ny tavoahangy iray litatra amin’ny menaka tournesol  izay novidiana 8000 ariary tany aloha, ary 11000 ariary kosa ny menaka soja novidiana 6000 ariary.

Marihana fa tsy ny menaka ihany no nahitàna fisondrotana fa ny ankamaroan’ireo entana ilaina amin’ny andavanandro (PPN) dia saika voakasik’izany avokoa. Hatramin’ireo fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana trano moa dia mampiteny ny moana mihintsy, ankehitriny. Raha manodidina ny 25000 ariary mantsy ny simenitra iray lasaka, tany amin’ny fiandohan’ny taona, dia tafakatra 35000 sy 40000 ariary izany, amin’izao fotoana. Efa ho iray volana mahery moa izao no nampanantena an’io sambo 20 hitondra PPN io ny filoham-pirenena, saingy mandraka ity aloha ny androany dia tsy mbola misy sambo na iray aza no tonga ao amin’ny seranam-tsambon’i Toamasina, ary tsy misy resaka intsony ny momba izany.

Tsara tsipihana anefa fa na inona na inona resaka sy fampanantenana ataon’ny mpitondra, dia ny resaka vidim-piainana midangana ihany aloha tena andrasan’ny vahoaka ny vahaolana satria io no miantraika mivantana amin’ny fiainan’ny mponina.

F.Tsihiavonana

Lire aussi