La Gazette de la grande ile

Taranja Rugby :  Korontanin’ny filohan’ny federasionina

Publié le 08 novembre 2021

Raha misy ny fanatanjahantena betsaka mpijery indrindra eto Antananarivo dia tsy misy ady hevitra fa ny taranja baolina lavalava. Tahaka ny fanatajahantena rehetra dia nisy fiatoana ny taranja Rugby tamin’ny taon-dasa noho ny valan’aretina Covid-19. Efa niverina anefa ny fifaninanana tamin’ity taona ity ary saika rakotra foana ny kianja Makis eny Andohatapenaka isaky ny faran’ny herinandro. Omaly alahady moa no niditra tamin’ny ampahavalon-dalana ny fifaninana Doppel Top 20 izay andraisan’ny fileovana 20 tsara indrindra eran’I Madagasikara, indrisy anefa fa tsy nandeha araka ny tokony ho izy io ampahavalon-dalana io noho ny federasionina Malagasy ny Rugby izay mitondra ny anarana hoe Malagasy Rugby, ankehitriny.

Mikorontana ny fifaninana satria voalohany aloha dia nakaran’ny federasionina 5000 ariavo ariary ny vidim-pidirana raha toa 2000 ariary izany teo aloha, izany talohan’ny ampahavalon-dalana. Tsy mankasitraka izany fanapahan-kevitra noraisin’ny federasionina izany ny ankamaroan’ny mpankafia rugby ka naneho izany tsy fankasitrahana izany izy ireo teny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, omaly alahady. Ny faharoa kosa dia nisy tamin’ireo fileovana tokony handray anjara tamin’ity lalao ampahavalon-dalana ity no nitokona tsy nety nanohy ny fifaninanana intsony satria tsy nahazo ny vola tokony ho azon’izy ireo amin’ny federasionina. Marihana fa efa nilaza ny hamoaka vola 30 tapitrisa ariary ho an’ireo fileovana rehetra nandray anjara tamin’ny Doppel Top 20 ny Malagasy Rugby, saingy nisy tamin’ireo fileovana no mihevitra fa tsy ampy ny vola tokony ho raisin’izy ireo ka nananpan-kevitra ny tsy hilalao intsony. Malahelo moa ny mpankafia ny taranja baolina lavalava eto Antananarivo manoloana izany trangan-javatra izany. Mazava ho azy fa ny filohan’ny federasionina Marcel Rakotomalala no tompon’andraikitra voalohany amin’izany fikorontanan’ny taranja rugby izany. Ity farany izay efa ela no fantatr’ireo mpankafia fa manao laharampamehana ny tombotsoany manokana fa mijery izay mahasoa ny taranja baolina lavalava eto amintsika.

F.Tsihiavonana

Lire aussi