La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday :Mivadika tanteraka ny tany aman-danitra

Publié le 13 novembre 2021

Sanatriavin’ny vava ve ka nanara-dia ny voka-dratsy nateraky ny fahapotehan’ny tontolo iainana toy ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fiovan’ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena? Ka tsy faty antoky ny firenena maneran-tany ve ny nampianatra sy nanofana ny olom-pireneny ho lasa manam-pahaizana amin’ny raharaha politika (sciences politiques) sy ny fototra maneran-tany momba ny anjara toeran’ny antoko politika ao anatin’ny firenena iray? Manamarika izany izahay satria ny eto Madagasikara ihany nandritra ny 60 taona no nisy mpitondra fanjakana tsy mbola nanao politika na mpikatroka anaty politika nefa dia lasa tafasandratra eo amin’ny fahefam-panjakana, ary ny mpisehatra amin’ny ankapobeny amin’ny raharaham-panjakana sahaniny dia olona alaina etsy sy eroa, ka ny ankamaroany dia ny olon’ny fitondrana teo alohany ihany no mamadibadika palitao eo, dia tsy mihetsika mihitsy amin’ny toerany. Raha tsy mihetsika amin’ny toerany moa ka mahavita mamaha ny olana mianjady amin’ny vahoaka na afaka mampihodina sy mampiroborobo ny raharaham-pirenena, na toekarena na sosialy, inona no olana, fa sady tsy mpahay no tsy mahavaha olana no mampihombo ny fahasahiranam-bahoaka.

Raha ny lalànan’ny fitantanana raharaham-panjakana mantsy dia tsy tokony ho tafakatra eo amin’ny fitondrana raha tsy manana fototra sy rafitra politika matotra, dia ny antoko politika io. Ny olona voavolavola ao anatin’ilay antoko no atolotry ny antoko ho filohampirenena na ho praiminisitra na ho minisitra na ho ben’ny tanàna…hatramin’izay mpitantana any amin’ny fokontany. Ny teto amintsika, nandritra ny 60 taona dia tsy izay.

Raha ny misy eto, handrafitra governemanta dia manao antso toy ny mitady olona ho talen’ny orinasa tsy miankina (appel à candidature). Dia tsy mahagaga, ohatra, raha ny fitantanana ny volam-pirenena, ny fandrafetana ny tetika rehetra momba ny vola no iankinan-doha amin’ny vondrom-barotra tsy miankina amin’izao fotoana, dia ny “Rothschild & Co”. Fantatra ny momba io vondrom-barotra vahiny io eo amin’ny sehatra iraisampirenena sy ny nafitsony. Efa nanaovanay lahatsoartra teto izany omaly.

Etsy ankilany, tsy ny olona handrafitra ny governemanta ihany no anaovana antso fa ny toerana politika avo lenta toy ny-masoivohom-panjakana (ambassadeur) dia anaovana antso “appel à candidature” koa.

Tsy mahagaga raha mihazakazaka avokoa izao mpanao mari-pahaizana na “diplaoma” hosoka na novidiana rehetra izao satria misy ny irika azo hararaotina. Efa nanaovanay lahatsoratra teto ny momba io fa tena fanalana baraka ny filohampirenena ny toa izao satria midika fa tsy manana olona mahafeno ny fepetra ahafahana manendry azy ho “masoivohom-panjkakana any ivelany” ny filohampirenena. Manala baraka ny antoko TGV koa satria toa antoko poaka aty ny TGV.

Na ny dinika politika ifanaovan’ny mpitondra fanjakana amin’ny solontenan’ny Vondrona Eraopeana aza dia mahalasa fisainana. Mbola hofakafakaintsika eto amin’ny manaraka moa io fa ny aina no matezà.

Ralay

Lire aussi