La Gazette de la grande ile

Lava maso

Publié le 15 novembre 2021

Nirodana ilay tano vao naorina, izay mbola tsy vita tanteraka akory. Nihazahazaka i ramatoa tompon-trano, ary avy hatrany dia nivazavaza tamin-drizareo mpanao trano :

– Olona tsy misy antony ! … Tsy mahay n’inona n’inona ! … Izany ianareo vao handray ny kihonareo amin-drangahy vadiko raha tonga eo izy ! … Tsy hanaiky izao mihintsy izy fa tsy maintsy hampiakariny any amin’ny Polisy izao !

– Ka tsy afaka hanao izany aminay intsony, anie ny vadinao, madama, fa aza eo ianao no be menomenona eo e !

– Fa nahoana ?

– K’izy , ary voatsindry ao ambanin’ny trano aoa !

Lire aussi