La Gazette de la grande ile

Fitaterana Tana-Toliary : Mamitaka mpandeha ny kaoperativa sasany

Publié le 15 novembre 2021

Hampiakatra ny saran-dalana 50% ireo kaoperativa mpitatitra manao ny zotra nasionaly kanefa raha ny kalitaon’ny asa no jerena dia mbola manjaka ny gaboraraka sy ny fanaovana tsinontsinona mpandeha avy amin’ireo kaoperativa sasany. Isan’ireo lasibatra amin’izany ireo mpandeha miainga eto Andrenivohitra mihazo an’i Toliary. Misy amin’ireo fiara taxi-brousse mantsy no milaza fa manao Antananarivo-Toliary mivantana eny amin’ny Fasankarana, ny zava-misy anefa rehefa tonga ao Fianarantsoa ny fiara dia miverin-dàlana ka afindran’izy ireo amin’ny fiara taxi-brousse hafa ny mpandeha na ilay antsoina hoe “transbordement. Mazava ho azy fa tsy mahafaly ny mpandeha izany satria sady famitahana olona ankitsirano,  mandany fotoana betsaka ary fanaovana tsinontsinona ny mpandeha. Ankaotra izay dia mbola miharihary ny tsy fanajàna ny bokin’andraikitra ihany koa. Aiza ho azy moa ny ATT sy ny ministeran’ny fitaterana amin’izany fomba fiasa mamohehatra izany?

F.Tsihiavonana

Lire aussi