La Gazette de la grande ile

Fanamiana miaramila : Veloma sahady ny fanasaziana

Publié le 17 novembre 2021

Efa nampoizina ihany ny zavatra hiseho fa amin’ny voalohany ihany no mody mandray andraikitra ny mpitandro filaminana fa herinandro vitsy aty aoriana dia tsy misy intsony ny fanenjehana sy ny fanasaziana. Tsiahivina fa volana vitsy lasa izay dia nanao filazàna ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena izay nanamafy fa voararan’ny lalàna ary ho saziana ireo olom-pirenena sivily tratra manao fanamiana miaramila sy ireo mpivarotra tratra mivarotra izany. Ankehitriny anefa, raha ny zavatra hita eny anivon’ny fiarahamonina eny dia tahaka ny tsy misy miraharaha intsony izany fampitandremana nataon’ny pôlisy izany satria dia maro ny olona manao fanamiana miaramila eny an-dàlana, ary jeren’ny mpitandro filaminana fotsiny. Araka ny efa voalaza tery ambony dia efa nampoizina izany satria hatramin’izay dia fanaon’ny manam-pahefana foana ny fampitandremana ny olon-tsotra amin’ny fanaovana famamiana miramila, saingy tsy hita akory izay tena fampiharana ny lalàna rehefa mandeha ny fotoana.

F.Tsihiavonana

Lire aussi