La Gazette de la grande ile

Asan-dahalo : Omby 83.000 no very tao anatin’ny dimy taona

Publié le 19 novembre 2021

Raha ny asan-dahalo no resahina dia tsy hiadian-kevitra fa mbola mitàna ny laharana voalohany eto amintsika ny halatr’omby. Faritra maro eto amin’ny firenena no tena lasibatra, ao anatin’izany ny Faritra Androy, Anôsy, Bongolava, Amoron’i Mania ary Mahatsiatra Ambony. Araka ny fanazavana nomen’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, Gellé Serge, dia nahatratra 83.000 be izao ny isan’ny omby very teto Madagasikara, tao anatin’ny dimy taona farany. Raha atao ny salan’isa dia 16.000 isan-taona ny omby lasan’ny dahalo eto amintsika. Mazava ho azy fa tena betsaka izany tarehimarika mivoaka izany, hany ka tsy mahagaga raha maro amin’ny mpiompy any ambanivohitra any no tsy manana omby intsony. Na eo aza ny hetsika (opération) nataon’ny miaramila, izany hoe Tafika sy ny Zandary, tao anatin’izay taona maro izay, dia tsy mbola resy mihintsy ny halatr’omby eto amintsika fa ny omaly tsy miova ihany.

F.Tsihiavonana

Lire aussi