La Gazette de la grande ile

Tontolo iainana sy Covid 19 : Fanamby atrehin’ny tsara sitra-po

Publié le 19 novembre 2021

Ankoatry ny raharaha ara-toekarena izay efa ady natrehin’izao tontolo izao hatrizay dia ity olana amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana ka miteraka fiovaovan’ny toetrandro, ary misy fiatraikany mivantana amin’ny zavamanana aina ity sy ny aretina Covid 19 no lohalaharana amin’ny ady hevitry ny tsara sitra-po amin’ny ankapobeny izao fa ifantohan’ny saina sy ny asa mbamin’ny ezaky ny tsirairay te hampivoatra mandrakariva ny fiainany sy ny ho aviny ary ny taranany.

Mazava ho azy fa ny fitondram-panjakana no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikatsaham-bahaolana amin’izany rehetra izany, miaraka amin’ny tetika rehetra hampahomby azy, na iza na iza tompon’antoka tamin’ireo olana ireo. Ny hery politika sy ny firaisamonim-pirenena koa dia tsy afaka andraikitra amin’ny fikatsahana ny vahaolana. Ny fiangonana, ohatra, saika mandinika sy manolotra hevitra ho amin’ny fampahombiazana ny ezaka izay tokony hiaraha-mientana. Ny Fivon-

dronamben’ny Eveka ao amin’ny fiangonaa katolika eto Madagasikara, ohatra, dia tsy nanadino fa tena nametraka ho isan’ny  laharam-pahamehana momba ny ady amin’ny doro tanety izay mamotika ny tontolo iainana. Toraka izany koa ny ady amin’ny aretina Codid 19.

Ny Birao foiben’ny Antoko Monima koa ny sabotsy teo dia nivory, teo ambany fitarihan’ny Filoha Nasionaliny, Monja Roindefo, ka ireo teboka roa ireo, dia ny ady amin’ny aretina Covid 19 sy ny fahapotehan’ny tontolo iainana, no isan’ny nivoitra tao amin’ny fehin-keviny. Ny momba ny aretina Covid 19 dia nilaza ny Monima fa tsy nitsahana nanolotra vahaolana sy hevitra tamin’ny fitondram-panjakana mba hampanjary ny fisorohana an’io tsy hihanaka sy ho amin’ny fahombiazan’ny fitsaboana  izay tratry ny Covid. Momba ny fiarovana ny tontolo iainana indray sy ny fiatrehana ny ady amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana, dia nanangana vaomiera efatra karazana mihitsy ny Monima tamin’ny sabotsy handalina sy handinika ny ho vahaolana momba izany, izay hoenti-manatsara ny hevitra natolotry ny Monima tamin’ny fitondrana tetezamita, fony Praiminisitra i Monja Roindefo.

Rainisoa

Lire aussi