La Gazette de la grande ile

Fambolena Artemesia : Natao tsinontsinona ny tantsaha ao Morarano Antongona

Publié le 24 novembre 2021

Kaominina ambanivohitra iray ao anatin’ny  distrikan’Arivonimamo, 11 km avaratry ny kaominina Imerintsiatosika no misy an’i Morarano Antongona. Ao amin’io kaominina io no misy fambolena Artemesia lehibe indrindra eto Madagasikara hatramin’izay, ary vao maika nitombo izany rehefa namokatra ny tambavy CVO ny fanjakana sy ny IMRA (Institut Malagache de Recherche Appliquées) eny Avarabohitra Itaosy. Ny zava-misy anefa dia natao tsinontsinona ireo tantsaha mpamboly ao an-toerana noho ny fambolena ity ny Artemesia.

Misy teratany frantsay efa namboly an’io zava-maniry fanamboarana fanafody io tao amin’ny kaominin’i Morarano Antongona, tao anatin’ny taona maro, saingy rehefa tafiditra teto ny valan’aretina Covid-19 ka niroso tamin’ny famokarana ny tambavy CVO ny fanjakana sy ny IMRA, dia tany fambolen’ny mponina ao an-toerana amina hekitara maro no nomen’ny fanjakana an’io teratany vahiny io mba ahafahany mampitombo ny vokatra. Mazava ho azy fa nalaina an-keriny ny tanin’ireo tantsaha izay tsy nanaiky moramora ny fakàna ny taniny. Saika nitroatra mihintsy moa ny mponina raha tsy nidina  tany an-toerana nandamina ny raharaha mihintsy ny jeneraly Ravalomanana Richard izay mbola nitàna ny toeran’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, tamin’izany fotoana izany.

Tsy nahafaly ireo tantsaha mihintsy anefa ny zava-nitranga satria noterena hanaiky hanome ny taniny an’ilay teratany frantsay mpamboly Artemesia izy ireo. Araka ny fanazavana azo, tsy nionona tamin’ny tany nomen’ny fanjakana azy anefa io vahiny io fa nanararaotra naka tanin’olona maro ho azy. Sorena tamin’izany trangan-javatra izany ny mponina, saingy tsy afa-nanao na inona na inona na ny manam-pahefana tao an-toerana aza dia efa tapitra novidian’ilay Frantsay avokoa. Marihana fa mandrak’androany, mbola alahelon’ny mponina ao amin’ny kaominina Morarano Antongona foana io fakàna ny tanin’izy ireo io, ary ny ankamaroany dia lasa mpiasan’ilay vahiny daholo satria tsy manana tany volena intsony.

F.Tsihiavonana

Lire aussi