La Gazette de la grande ile

FFKM : Tsy menatra ny mandainga

Publié le 26 novembre 2021

Ny alaobia teo no nosokafana tamin’ny alàlan’ny fanompoam-pivavahana teny amin’ny FLM Ambolokan-drina ny zaikabe faha-9 sy ny komity faobe faha-43 ny FFKM (Fiombonamben’ny fiangonana Kristianina eto Madagasikara). Nandritra io fotoana io no nanararaotra nanontany ny filoha mpitarika ny FFKM na ny Mgr Odon Razanakolona momba ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny mpanao gazety. Tamin’izany no nanambaran’ny arsevekan’Antanana-rivo fa tsy miditra amin’ny raharaha politika eto amin’ny firenena ny FFKM satria natokana ho an’ny mpanao politika izany fa tsy an’ny olom-piangonana.

Miharihary toy ny vay an-kandrina fa tsy menatra ny mandainga ny filohan’ny FFKM tamin’izany teny nataony izany satria iza eto amin’ity Madagasikara ity no tsy mahalala fa tao anatin’ireo krizy politika niseho teto amin’ny firenena dia niditra an-tsehatra nandamin-draharaha hatrany ireo filoham-piangonana efatra eo anivon’ny FFKM, raha tsy hiresaka afa-tsy ny tamin’ny taona 1990 rehefa nanatanteraka ny fikaonandoham-pirenena izy ireo, ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana rehefa nitranga ny krizy tamin’ny 2002, ary ny fidiran’izy ireo tamin’ny fanelanelanana nandritra ny krizy politika tamin’ny 2009.

Manoloana izany anefa dia sahin’ny arsevekan’Anta-nanarivo no milaza fa tsy miditra amin’ny raharaha politika eto amin’ny firenena ny FFKM. Farahafaratsiny dia tokony nohamarinin’ny Mgr Odon Razanakolona fa rehefa raikitra ny ady sezan’ny mpanao politika vao miditra an-tsehatra amin’ny raharaha politika izy ireo fa rehefa milamina ny firenena dia mionona amin’ny fikarakarana ny mpivavaka fotsiny izy ireo. Etsy ankilany anefa, hiarahan’ny rehetra mahita fa na milamina aza ny toe-draharaha politika dia matetika manao fanambarana momba ny raharaham-pirenena ny

filohan’ny FJKM (Fiango-nan’ny Jesôsy Kristy eto Madagasikara) sy ny fivoriamben’ny Eveka Katolika eto Madagasikara.

Vao andro vitsy lasa izay no nilaza ho mitsipaka marindrano ilay tolo-dalàna momba ny ITG (Interruption Thérapeutique de Grossesse) ireo eveka katolika, ka mipetraka ny fanontaniana hoe raharaham-piangonana ve izany resaka tolo-dalàna izany sa raharaha politika. Tsara foana moa ny mampatsiahy fa laika ny repoblikan’i Madagasikara ka tsy tokony hidiran’ny fiangonana mihintsy satria. Tsy kristianina daholo ny Malagasy fa samy manana ny finoany ary maro ihany koa no tsy mino an’Andriamanitra.

F.Tsihiavonana

Lire aussi