La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday : Ny fiandrianampirenena no antoky ny asa mendrika

Publié le 27 novembre 2021

Nifanakalo hevitra tamin’ny tanora Malagasy teny Alarobia Ivandry omaly ny filohampirenena, Andry Rajoelina. Ny tontolon’ny  asa sy ny fanofanana ny tanora no tena nivoitra. Tsy mahagaga izany satria ny olana tena mangeja ny fiainan’ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny dia ny asa, ary maro an’isa amin’ireo ny tanora.

Samy nitondra ny fomba fijeriny na ny traikefany na ny zavatra niainany na ny vetsovetsom-pony ny tanora nandray fitenenana omaly. Amin’ny ankapobeny aloha dia fomba iray nahafantaran’ny mpitondra fanjakana  ny fiainan’ny tranora ireny fifanakalozan-kevitra ireny, ary sehatra iray koa namborahan’ny tanora ny tontolony.

Ny filohampirenena Rajoelina aloha omaly dia nanipika hatrany ny fahavononan’ny fitondram-panjakana tarihiny hanampy ny tanora mba hivelarany sy  hahatafavoaka azy amin’ny fiainany. Ny fampahombiazan’ny tanora amin’ny zavatra ataony dia nanomezan’ny filohampirenena tolo-kcvitra sy fampirisihana ny rehetra.

Amin’ny lafin-javatra toa ireny koa anefa dia ilaina ny mitondra famakafakana ny tranga misy, ka tsy maintsy trandrahina amin’izany ny antonanton’ny loharanon’ny olana. Raha akapoka ny fahitan’ny maro ny fototry ny olana tsy hahafahan’ny rehetra mivelatra, ary maro amin’ireny, hoy isika, ny tanora, dia ny fitaovana enti-mihetsika, ka isan’izany ny vola.

Tsy diso izany fa tsy mbola tena ny fototry ny olana. Izay no tsy maintsy jerena mba tsy hahadisio ny vahaolana hirosoana.

Maro ny tsy mahatsapa fa ny fototry ny olana eto amintsika dia ny tsy fahafahan’ny mpitondra nifandimby teto miaro ny fiandrianam-pirenena. Hany ka atopatopan’ny hevi-bahiny fotsiny, ary any amin’ny vahoaka no miantefa ny rihitra. Ny tanora no maro amin’ireo mizaka ny tsy eran’ny ainy.

Mety hisy hilaza hoe “io indray ny an’ity gazety ity fa manao resaka misavoan-danitra”. Tsia, tompoko. Tsy misavoan-danitra fa tena fototry ny olana.

Raha nahay niaro ny fiandrianampirenentsika ny mpitondra nifandimby teto dia tsy voatery niankin-doha tamin’ny  fianakaviambe iraisampirenena. Izahay tsy milaza hoe “tsy tokony mifandray amin’ny fianakaviambe iraisampirenena fa hoe tsy nitondra soa ho antsika ny fiankinan-doha amin’izy ireo.” Rehefa izany ny fitrangan’ny raharaha dia  ny niankinan-doha, izany hoe ny “mpanampy” na ny “mpampindram-bola” no mibaiko. Ohatra: Tsy maintsy fanofanana hahafahana miatrika asa avy hatrany (formation professionalisante) no atao fa mandany vola  ny fampianarana ambony araka ny oniversite maneran-tany. Dia roboka ny mpitondra ka ilay tanora nofanina, tsy ambony tsy ambany. Lasa botom-bazaha satria ny vazaha mitondra vola eto no afaka mamorona asa ho azy ireny. Izay izao dia efa tsy asa mendrika (travail decent). Dia nisy ny fotoana nandrarana ny tsy fahafahana mandray mpiasampanjakana. Nefa fantatra fa isan’ny mampihisatra ny asam-panjakana ny tsy fahampian’ny mpiasampanjakana sy ny tsy fitsinjarazana izany ho araka ny tokony ho izy. Ny orin’asa miantoka asa goavana dia  ny fianakaviambe iraisampirenena no milalao azy, toa an’Ambatovy sy ny QMM ka tsy sehatra natao hivelaran’ny tanora Malagasy ireny fa natao hanandevozana ny vahoaka Malagasy. Toraka izany ny orin’asa afa-kaba…. Fa raha nahay niaro ny fiandrianampirenena ny mpitondra teto dia hafa ny fitrangan’ny raharaha.

Ralay

Lire aussi