La Gazette de la grande ile

Famelahana tehamaina pôlisy : Misy mitady hamoaka sahady i Mr Doda

Publié le 29 novembre 2021

Miteraka resabe any amin’ny Faritr’Ihorombe ny, nanomboka ny zoma hariva lasa teo, ny felaka  tehamaina nahazo ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka any an-toerena. Tsy olon-tsotra no nahavita izany fihetsika izany fa assistant parlementaire ana senatera sy solombavambahoaka, fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe « Mr Doda ». Marihana fa nandritra ny lanonam-pitsarana natao tao tampon-tanànan’Ihosy no nisehoan’izany, ny zoma lasa teo, ary olom-panjakana sy manam-pahefana maro no nanatrika mivantana izany.

Taorian’ity tranga ity moa dia nosamborina avy hatrany ity assistant parlementaire ity ary notazonina ao amin’ny kaomisarian’ny pôlisy ao an-toerana. Miteraka resabe ny raharaha satria niditra an-tsehatra hatramin’ny governoran’ny faritr’Ihorombe izay nanao fanambarana nanameloka izao fikasihan-tanana natao tamin’ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka izao. Fantatra hatramin’ny omaly fa misy sahady ny tsindry bokotra na “intervention”  mba hamotsorana tsy misy atak’andro an’io “assistant parlementaire” nampidirina “violont” io. Tsy misy mankasitraka ny fihetsika mamohehatra nataon’ity farany ny manam-pahefana rehetra ao Ihosy sy ny faritr’Ihorombe iray manontolo izay mangataka ny hampiharina ny lalàna, voalohany amin’izany ny mpitandro filaminana mazava ho azy.

Tsara marihana fa efa malaza ratsy any an-toerana amin’ny fanararaotam-pahefana sy fandrahonana olona  mihintsy ity antsoina hoe Mr Doda ity. Tsy ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka ao Ihorombe ihany no tadiaviny ho fehezina fa talem-paritra hafa koa no fantatra fa rahonany rehefa tsy manaraka ny teniny na ny baiko omeny. Ampitahoriny amin’ny resaka famindran-toerana “affectation” ireo olom-panjakana rehetra tsy manatanteraka ny teniny, ary raharaha tahaka izany no nahatonga azy namelaka tehamaina tompon’andraikitra ambony avy amin’ny pôlisim-pirenena ity. Ankoatra izay, malaza ratsy amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny teratany vahiny tratra nikàsa hanondrana vato sarobidy an-tsokosoko i Mr Doda. Vao herinandro vitsy lasa izay dia nitarika olona hidina an-dàlambe ny tenany, nitaky ny famoahana an’io vahiny mpanondrana vato an-tsokosoko io.

Miseho azy ho tsy azo hatao na inona na inona sy tsy refesi-mandidy any amin’iny faritr’Ihorombe iny mihintsy ingahy assistant parlementaire ka maro no tsy gaga tamin’izao fihetsika mamoafady nataony izao. Marihana fa vao nitranga ity famelahana tehamaina nandritra ny lanom-pitsarana tany Ihosy ity dia nametraka taratasy teo anivon’ny pôlisy sy ny Zandary ny ray aman-drenin’i Mr Doda, nilaza fa tsy tompon’andraikitra intsony amin’ny adalàna rehetra ataon’ny zanany.

F.Tsihiavonana

Lire aussi