La Gazette de la grande ile

Ady amin’ny Covid-19 : Tsy hita izay nalehan’ireo vaksiny Pfizer

Publié le 30 novembre 2021

Ny alakamisy 25 novambra lasa teo no nanao fanambarana ny tale jeneralin’ny sampandraharahan’ny fanjakana amerikanina ho an’ny fampandrosoana (USAID), Jhon Dunlop, amin’ny fanomezan’izy ireo maimaimpoana vaksiny Pfizer miisa 398.970 doses ho an’i Madagasikara. Sambany moa vao misy an’ity vaksiny amerikanina ity eto amintsika, manampy ireo vaksiny hafa efa azontsika tao anatin’ny fandaharan’asa COVAX. Ny zavatra mahagaga anefa, dimy andro aty aoriana dia tsy fantatra mihintsy hoe nankaiza ireo vaksiny Pfizer ireo no tsy hita eny amin’ny hopitalim-panjakana fanaovana vaksinin’ny Coronavirus? Maro amin’ny olom-pirenena anefa no maniry ny hanao an’io vaksiny amerikanina io haingana manoloana izao fitomboan’ny trangana Covid-19 izao.

F.Tsihiavonana

Lire aussi