La Gazette de la grande ile

Karatra fisotroandronono vaovao : Voafitaka hatrany ireo Beantitra

Publié le 30 novembre 2021

Te hanatsara ny kalitao amin’ny fomba fiasa hatrany ny ao amin’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola saingy misy indro kely hoy ny mpandrafitra. Nisy fanambarana nataon’ny minisitry ny vola  tamin’ny volana aogositra izay hoenti-manatsara izany amin’ny alalan’ny fizarana karatra vaovao ho an’ny zokiolona mandray fisotroan-dronono. Nampanantena ity minisitry ny vola ity fa tsy hisedra olana intsony ny mpandray fisotroan-dronono rehetra.Ny mifanohitra amin’izany anefa no zava-misy amin’izao fotoana izao fa dia mahatsiaro tena ho voafitaka hatrany ireo zokiolona. Ary tsy mbola naharay  io karatra vaovao io ny sasantsasany. Adidinareo ao amin’ny ministera tompon’andraikitra ihany koa ny manentana ny rehetra mba handalo handray ny karany raha misy ny tsy mbola nahazo velon-taraina ireo tsy mbola naharay ny fisotroan-dronono tamin’ity volana novambra ity.

Raha sendra misy koa izay fahatarana iamin’ny fandoavana ny vola fisotroan-dronona ihany dia mila mampahafantatra mialoha araka izay tsy fahatomombanana mitranga tampoka. Efa mba nanantena izy ireo fa tsy voatery hifoha maraina intsony hamonjy laharana mialoha toy ny teo aloha. Misy amin’izy ireny no mitambotsitra tampoka noho ny hanoanana na ny harerahana na ny tsy fahazakana ny fitsanganana ela koa.tsy tokony hohadinoina fa  olona nahavita be teto amin’ny fiaraha-monina izy ireo ka tokony hokarakaraina omena fahafaham-po mitovy tamin’ny andraikitra nosahaniny avy.

Soarak

Lire aussi