La Gazette de la grande ile

Vondrona eraopeana : Izy mangalatra ny antsika indray no avo vava

Publié le 30 novembre 2021

Naneho ny heviny tao amin’ny gazety namana iray mpiseho isan’andro eto ny Masoivohon’ny Vondrona Eraopeana miasa eto Madagasikara, dia i Giovanni Girolamo. Isan’ny voalazany tao fa “teboka misakana ny tsy hitohizan’ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eraopeana ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ny jono andranomasina eto”. Ny fahavitan’ny sonia amin’io fifanarahana amin’ny jono andranomasina io no sandan’ny fahazoantsika Malagasy ny famatsiam-bola isan-tsokajiny, ka isan’izany hono, ny hoe hiakaran’ny “haba amin’ny fanjonoana andranomasina” (redevances de pêches) hatramin’ny 40 tapitrisa euros.

Ny hazan-dranomasintsika anefa dia mahatratra hatramin’ny 800 tapitrisa Euros isa-taona no voaroba ary ry zareo Eraopeana dia tsy afa-bela amin’io halatra hazan-dranomasina aty amintsika io.

Tsinjo ihany koa fa mbola misy vola eo amin’ny 20 tapitrisa Euros eo tsy mbola nomen’ny Eraopeana amin’ilay andiany faha-11 amin’ny Tahiry Eraopeana momba ny Fampandrosoana (Fonds Européen pour le Developpement = FED). Tamin’ny 2014 izy io no azontsika ary nahatratra 518 tapitrisa Euros, ka tokony nifarana ny 2020 teo. Mbola misy antontan-taratasy takian-dry zareo Vondrona Eraopeana, hono, mba hivoahan’io 20 tapitrisa Euros farany io, dia ny momba ny fitantanan’ny governemanta Malagasy ny famatsiam-bola niatrehana ny Covid 19 sy ny tontolon’ny ady amin’ny kolikoly.

Tsy manamaivana ny fitakian-dry zareo isika satria na nisy io fitakian’ny Vondrona Eraopeana ny mangarahara momba ny volan’ny Covid 19 io na tsy nisy, ary na nisy ny fitakian-dry zareo momba ny ady amin’ny kolikoly na tsy nisy dia adidintsika Malagasy ny manome lanja ny fampivainganana izany satria mahasoa ny firenentsika na ny fangaraharan’ny fitantanam-bola na ny fampahombiazana ny ady amin’ny kolikoly. Lasa miseho azy ho miana-kendry ny Vondrona Eraopeana ka izy indray no manome lesona antsika nefa ry zareo aza mandroba ny harenantsika ao andranomasina ao.

Rainisoa

Lire aussi