La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday : Tandremo tsy ho fananganana indostria poaka aty

Publié le 01 décembre 2021

Nandray anjara tamin’ny valan-dresaka nokarakarain’ny rafitry ny Firenena Mikambana, miahy ny fanaovan-taozavatra na indostria, dia ny Onudi, ny alatsinainy teo i Madagasikara, ka ny filohampirenena Andry Rajoelina mihitsy no nitondra ny feon’i Madagasikara. Ny vina hirosoan’i Madagasikara taorian’ny fandalovan’ny aretina Coronavirus no nifotorany ho fanoitra hanosika an’i Madagasikara hanangana indostria, ka ny hanarenana ny toekarena Malagasy izany.

Nivantana ny filoha Rajoelina nanamarika fa “alohan’ny taona 2023 dia hahavita tena amin’ny famokarana siramamy sy lafarina ary menaka fihinana sy simenitra i Madagasikara.” Ireo vokatra ara-taozavabaventy voatanisa ireo (siramamy, menaka, lafarina ary simenitra) no hezahina hananganana orin’asa indostrialy eto, hoy ny filoha Malagasy.

Zava-dehibe izany ary miendrika fanamby indray. Ny manitikitika ny mpanara-maso aloha dia ny hoe “misy fepetra ny fampahombiazana ny politika ho amin’ny fananganana indostria na orin’asa fanaovan-taozavatra eto. Voalohany indrindra amin’izany ny fahafantarana ny tanjaky ny firenena hiantoka akora fototra. Raha ny fary misy na voavoly eto amin’izao fotoana, ampy hahodin’ny orin’asa fanaovan-tsiramamy mandavan-taona ve? Ary ny vokatra ho amin’izany ve ampy hiantoka ny filan’ny vahoaka eto an-toerana, amin’ny vidiny mirary? Toraka izany koa ny menaka fihinana. Manakory ny vokatra voanjo sy ny tanamasoandro na ny olive? Ireo mantsy no akora fototra fanaovana menaka. Raha hanao lafarina isika, ampy ve ny varim-bazaha hahafahantsika mahavita tena ara-lafarina? Ny simenitra koa dia toraka izany.

Mampahatsiahy ny zava-nisy tany amin’ny taom-polo 80 tany mantsy izany satria marobe ny orin’asa natsangana teto izay nampiasana vola mihoa-pampana (investissement à outrance). Nisy fanaovana lafarina teto dia ny Kobama fa ny varim-bazaha vokatra teto dia zara raha tapa-bolana dia lany. Nisy fanaovana simenitra roa teto dia ny Amboanio tany Mahajanga sy ny Ibity any Antsirabe. Ny afitsoky ny Ibity amin’ny alalan’ny “Holcim” izao dia mampikaikaika ny maro. Nisy fanaovana menaka koa teto dia ny SNHU tany Toliara sy ny “Huilerie Centrale” tetsy Tanjombato. Voatrandraka ve ny antony tsy nampahomby an’ireny? Toa poaka aty avokoa? Ny fanaovana siramamy koa dia nisy efatra teto, dia ny tany Brickaville, ny tany Namakia, ny tany Nosy Be ary ny tany Sahambavy. Inona koa no fototry ny fahapotehan’izy ireny.

Tsy hoe manakivy na manatsatso izahay raha mampahatsiahy izany fa tsy te hanan-dratsy ka toroana hevitra ihany ny tompon’andraikitra hahay mijery tsara ny takian’ny fampahombiazana ny tetik’asa.

Isan’ny orin’asa takian’ny mpandinika eto koa ny fanodinana ireo harem-pirenena trandrahina eto mba hamorona harena vao miondrana, toy ny Nickel sy Cobalt ao Ambatovy mbamin’ny fasimainty trandrahin’ny QMM ao Taolagnaro. Na ny andramena efa voatapatapaka ireo aza ka ananganana orinasa eto dia hiterana harena koa.  Fa ankoatra ireo, raha ny fanarenana ny toekarena sy ny hiatrehana ny filan’ny vahoaka eto no tena mahamaika antsika dia tsy misy afa-tsy ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ary ny jono, ary ny fiheverana ny harena ankibon’ny tany eto. Afaka miantoka fanarenam-pirenena goavana ireo fa ny fananganana indostria dia tsy ferana saingy tsinjo fa ny vahiny no tena hihazakazaka amin’ireo.

Ralay

Lire aussi