La Gazette de la grande ile

Fetin’ny faran’ny taona : Fandrebirebena saim-bahoaka efa ory

Publié le 01 décembre 2021

Tena tsy tsapan’ny mpitondra fanjakana ankehitriny mihitsy ny fahasahirana manjo ny vahoaka.  Atao daholo izao  hetsika isan-karazany izao hampandriana adrisa ny saim-bahoaka efa donton’ny fahoriana mitambaby isan’andro. Raha entam-barotra nafarana no ampitahana ny vahoaka dia laharana fahatelo ny safidy nametrahana ny hasin’ny vahoaka tsy mandady harona. Izao dia rebirebena amin’ity hetsika “Krismasy N’aka” hatao ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny 10 hatramin’ny 29 desambra 2021  ity indray ny vahoaka malagasy, izay karakarain’ny fiadidiana ny Repoblika. Tetika hamafana noho ireo olana tsy mety voavaha  amin’ireo fampahoriana atao mba hanariana dia ny Malagasy vetivety. Tsy misotro rano madio intsony ny vahoaka , misy mihitsy aza no tsy misitraka rano mandritry ny andro maro mba idiovana. Tapaka ny jiro amin’ny ora tsy misy fampiomanana araka izay filàny ny jirama na aiza toerana, na inona mety ho anton’izany.Toy izany koa ny resaka faktioran’ny jirama izay tsy mifanaraka amin’ny sandan’ny vola takiana isam-bolana.Ny kalitaon’ny asa tolotra na “service” omena ny mpanjifa izany moa dia nofy amin’ny zavatra maro (herin’aratra, rano, lalana, fitaterana). Ity fidangan’ny vidimpiainana tsy misy fitsaharana andro aman’alina, mangina ny vahoaka. Ny tsy fahampian-tsakafo toy ny kere any amin’ny faritra atsimo izay tena mampitaraina ny mponina any. Tsy misy fanamboarana ny lalana teto Antananarivo nandritra ny fotoanan’ny main-tany ary maro ny fahasimbana vokatr’izany. Tsy manan-jo haneho ho amin’ny fitakiana ny tsy rariny intsony ny vahoaka noho ny fihetsiky ny mpitondra.Tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny filohampirenena ireo olana midanadana iatrehan’ny vahoaka ny fetin’ny faran’ny taona.Efa mihatra aman’aina ny fampahantrana tsy ahitam-bahaolana.Hatreto dia tena manome laza ratsy an’i Madagasikara ny zava-misy.

Soarak

Lire aussi