La Gazette de la grande ile

Tsy fandriampahalemana eto Antsirabe : Tsy mety voafehin’ny mpitandro filaminana

Publié le 03 décembre 2021

Ny faramparan’ny volana novambra lasa teo no nihatrika fiofanana ho fanamafisana traikefa sy fahaizamanao momba ny fitandroana ny filaminana sy ny fiarovana ny aim-bahoaka ny Pôlisim-pirenena, ny Zandariamriam-pirenena sy ny Tafika miasa aty amin’ny Faritr’i Vakinakaratra. Tao amin’ny kianjan’ny COSAM / ACMIL eto Antsirabe no nanaovana ny fiofanana izay niarahana tamin’ireo manam-boninahitra manam-pahaizana manokana eto amintsika. Raha jerena anefa ny zava-misy eto amin’ny renivohitr’i Vakinakaratra, ankehitriny, dia tsy misy na inona na inona miova satria mbola manjaka foana ny tsy fandriampahalemana amin’ny toerana maro. Tsy maintsy ahenoina vaky trano sy asa fanendahana foana, isan’andro, ka mampanontany tena hoe “inona fotsiny ny antony nanaovan’ireo mpitandro filaminana fiofanana raha tsy hisy zavatra hiova akory?” Ny hita aloha hatreto dia tsy mety voafehin’ny pôlisy, ny zandary ary ny Tafika mihintsy ny fandriampahalemana eto Antsirabe.

Haingo.R

Lire aussi