La Gazette de la grande ile

Egdard Razafindravahy : Nodinganin’i Mama sôsy

Publié le 03 décembre 2021

Omaly no notokanana tany amin’ny distrikan’Ambatolampy, faritra Vakinakaratra ny asa fanitarana ny ozinina vaovaon’ny orinasa STAR sy ny lalana 2 km miala ny lalam-pirenena faha-7 mihazo an’io ozinina io. Ny filoham-pirenena mihintsy moa no tonga nitokana izany teny an-toerana, omaly maraina, ary ny mahagaga dia tsy tazana niaraka tamin’ny filoha mihintsy ny minisitry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana, Edgard Razafindravahy kanefa dia mahakasika tanteraka ny indostria no tena votoatin’ny zavatra natao teny Ambatolampy, ankaotra ny fanamboaran-dàlana izay heverina fa andraikitry ny ministeran’ny asa vaventy.

Ny zava-niseho ary mampametram-panontaniana dia ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy indray no niaraka tamin’ny filoha ,nandritra ny lanonam-pitokanana, ary izy irery no mpikambana ao anatin’ny governemanta tonga teny an-toerana. Raha ny lôjika anefa dia tsy tokony tazana teny mihintsy i Mama sôsy satria sady tsy misy resaka serasera ny zavatra notokanana teny no tsy misy idiran’ny kolontsaina koa. Tsy vitan’ny hoe nanatrika ny fitokanana ihany i Lalatiana Rakotondrazafy fa izy mihintsy no miseho ho “rôle”, tamin’io fotoana io. Fa etsy ankilany, mahagaga ihany koa hoe fa maninona no tonga mitokana ny asa fanitarana ny ozinin’ny STAR ny filohan’ny repoblika kanefa tsy orinasam-panjakana io fa an’ny tsy miankina, ary tsy ana teratany Malagasy koa fa an’ny teratany vahiny. Ankaotr’izay dia nanao kravaty miloko volomboasary ihany koa i Andry Rajoelina kanefa raha ny voalazan’ny lalàmpanorenana dia tsy azon’ny filoham-pirenena atao mihintsy izany satria lokon’ny antoko politikany.

F.Tsihiavonana

Lire aussi