La Gazette de la grande ile

Farihin’Alaotra : Gaboraraka ny fitantanana ny trondro

Publié le 06 décembre 2021

Afaka telo herinandro eo dia miverina misokatra indray ny fandraharahana ny trondro aty Antsihanaka. Raha tsiahivina dia mikatona mandritra ny roa volana ny rano ka voaràra avokoa ny fakàna trondro sy fivarotana izany, indrindra fa amin’ireo farihim-panjakana. Ny 25 oktobra  ka hatramin’ny 25 desambra 2021 no fe-potoana voalazan’ny didim-pitondrana fa tsy afahana manjono na maka trondro ho an’ny Faritra Alaotra Manogoro. Nahena ho roa volana io fe-potoana io raha ampitahaina amin’ny tany aloha izay maharitra efa-bolana. Ny tanjona amin’izany dia mba tsy ho lany tamingana ny trondro izay manatody amin’izao vanim-potoana izao. Tamin’ity herinandro ity anefa dia nanao fisafoana teny ifotony ny sampandraharahan’ny Jono ka trondro milanja 250kg saika namidy teny an-tsena no sarona tamin’izany. Mampiseho izany fa tsy voahaja mihintsy ny didy navoakan’ny fanjakana satria misy hatrany ireo manjono na dia mbola voaràra aza.

Lalao.R

Lire aussi