La Gazette de la grande ile

Apollon-21 : Ho fantatra tsy ho ela ny marina

Publié le 07 décembre 2021

Niteraka resabe teto amin’ny firenena ny fanonganam-panjakana izay nantsoina hoe “Apollon-21” tamin’ny 20 jolay 2021. Fifofoana ny aiin’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina koa no isan’ny fiampangana amin’izany.  Ny miaramila kolonely frantsay misotro ronono iray antsoina hoe Philippe Marc François, sy zandary frantsay kapiteny misotro ronono  iray antsoina hoe  Paul Rafanoharana no voalaza fa atidoha amin’izany. Misy koa Malagasy maromaro izay voarohirohy amin’izany toa n’i Sareraka, ny Jeneraly misotro ronono Ramahatra Victor izay efa praiminisitra tamin’ny andron’ny Amiraly RaTSIRAKA,  toa izany koa ny jeneraly Razakarimanana miaraka amin’ny olona 13 hafa izay ahitana miaramila manamboninahitra amperinasa ihany koa.

Tafiditra sy voatonontonona amin’ity raharaha ity koa ny mahakasikan’ny orinasa Madagascar Oil mpitrandraka solika any Melaky izay voalaza fa namatsy vola izany.

Ny omaly alatsinainy faha 06 desambra 2021 no nanomboka ny fitsarana tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ao amin’ny fitsarana ady heloka bevava. Mbola hitohy androany talata izany ary mbola inoana fa tsy ho vita androany koa.

Miandry izay ho vokatr’ity raharaha ity ny rehetra. Hatramin’ny fanjakana frantsay izay isan’ny manaraka akaiky ity raharaha ity koa satria isan’ny voatonontonona tamin’izany koa izy ireo.

Tsy maintsy hisy ny vokatrin’ny fitsarana ka dia ho fantatra noho izany ny mahakasika ity raharaha ity izay miteraka resabe amin’ny tontolon’ny politika.

RJB

Lire aussi