La Gazette de la grande ile

Depiote an’Antananarivo Renivohitra : Tsy manao ny asa maha solombavambahoaka azy

Publié le 07 décembre 2021

Andraikitry ny solombavambahoaka tsirairay ny mitondra ny hetahetam-bahoaka rehetra manerana ny Nosy.

Ny asana maha mpisolovava ny mpanohitra azy no tena ilofosany andro aman’alina.

Solombavambahoaka hafakely amin’ny fomba fiarovany ny tombotsoam-bahoaka, indrindra ny mponina eto Antananarivo Renivohitra. Ny vay eny an-kandrin’ny filohampirenena sy ny manodidina azy no hainy ny manatsikafona ny filazana amin’ireo velirano tsy tanteraka.

Mitaraina hatrany ny mponina eto Antananarivo I hoe “mba inona ny vahaolana nentin’ireto solombavambahoaka voafidy tao anatin’ny boriborintany voalohany ireto” ? Nefa ange dia tsy tambo isaina ny fitarainam-bahoaka re etsy sy eroa toy ny tsy fisian’ny jiro tany an’elakelan-trano  izany. Ny fahatsetsenan’ny lakan- drano , ny faharatsian-dalana  maro eto an-drenivohitra . Tsy azon’izy ireo odian-tsy hita ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy mitsahatra.

Ekena fa tsy andraikitry ny solombavambahoaka ny manao ny foto-drafitr’asa saingy anjarany kosa ny mitatitra ireo fitakiana tena laharam-pahamehana mahasoa ny vahoaka. Tsy ho latsa-danja amin’izany ny faritra nahavoafidy azy. Tamin’ny fitakiana nataon’ny depiote 73 teo amin’ny kianja 13mai ny 21 Aprily 2018 dia niteny ny depiote Hanitra fa “azy Antananarivo”. Tadidio fa tsy Tim daholo ny vahoakan’Antananarivo.

Mby hatraiza ny nametrahany ny andraikiny amin’ny maha solombavambahoaka izay nahavoafidy azy teo Antananarivo I.

Alaivo ohatra ange ny tamin’ny andron’i Monja Jaona fony izy lany depiote teto Antananarivo I. Tsy namelany raha tsy vita ny lalana teny Isotry , ny fiadiny fo mafy tamin’ny fampidinana ny vidim-piainana. Naneho firaisan-kina hatrany izy tamin’ny fiadiana ny tombotsoa teny amin’ny faritra iva, tsy niasa vava fotsiny fa niasa vatana sy niombom-po tamin’ny vahoaka manerana Nosy. Tsy adinony ny faritra niaviany kanefa nomeny lanja koa ny vahoakan’Antananarivo.

Nifanohitra tamin’ny solombavambahoaka avy any amin’ny faritra mihitsy ny fotom-pisainana

Ny fiainam-bahoaka dia tsy natao hiandry ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filohampirenena fa mandavantaona no ijerena izany.

Sorak

Lire aussi