La Gazette de la grande ile

Grevin’Ankatso : Nalemy teo anoloan’ny mpianatra ny polisy

Publié le 08 décembre 2021

Efa ho taona maro no tsy mandeha intsony ny rano eny amin’ny oniversite eto Antananarivo. Isan’ny voakasika amin’izany ny mpianatra amin’ny trano fonenan’ny mpianatra  eny Ankatso-I sy Ankatso-II ary Ambatomaro. Vokatr’izany dia zara raha mahazo famatsiana rano fisotro madio ity toerana ity ka fijaliana, fahamaimboana, loto no iainana eny amin’izao.

Vokatrin’ny tsy fisian’ny rano fisotro madio teny amin’ny cité Ankatso tao anatin’ny andro maromaro izay dia nidina an-dàlambe ny mpianatra ny alatsinainy faha 06 desambra 2021 teo.  Tamin’ny 8 ora hariva izy ireo no nanakanan-dàlana teo amin’ny “3-chemins” teo Ankatso  sy Ambohipo. Tapaka tanteraka ny làlana tamin’ity faritra noho izany. Tsy afaka nandeha nody ny olona raha tsy tamin’ny 9 ora sy sasany alina.

Tonga ny polisy nirongo basy fa tsy niala ireto mpianatra vonona ny hiatrika ny polisy ireo. “Omeo rano izahay ary aoka tsy ho rano maloto no haterin’ny fiara aty aminay” hoy ny antsoantson’ireo mpianatra. Fiara roa feno polisy no niatrika ireto mpianatra ireto nefa tsy naharava ny grevy izany fa vonona hiady koa ireo mpianatra ireto. Nody maina ireo polisy noho izany.

Nitohy omaly talata faha  07 desambra 2021 dia mbola nitohy izany grevy izany. Niova taty Ankatso-I izany ary niampita tany Ambatomaro.  Dia mbola niala maina koa ny polisy teo anatrehan’izany fitakiana izany. Ahiana hitatra any amin’ny fokontany hafa izao raharaha izao satria tsy voavaha mihitsy ny resaka rano fisotro madio ity. Ny mahagaga koa dia tsy hita mihitsy ilay minisitra vaovao Ladislas Adrien Rakotondrazaka eo anatrehan’izany.  Aza hadino fa ny fipoahana ara-tsosialy teto Madagasikara dia niainga avy amin’ny olana amin’ny oniversite ity. Hidina aty Analakely ny mpianatra raha mbola tsy voavaha ity olana ity ao anatin’ny 2 andro.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi