La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday : Fampahantrana azo nialana

Publié le 08 décembre 2021

Niteraka ady hevitra teo amin’ny mpanara-maso ny raharaham-piaraha-monina ankapobeny eto Madagasikara indray omaly ny akon’ny vaovao iray nivoaka izay voambara fa avy amin’ny Banky Mondialy, ka nilaza fa “nitombo 1.300.000 ny Malagasy tafalatsaka anaty fahantrana lalina”.

Tao anatin’ny ady hevitra no nisian’ny nanipika fa na marina io tarehi-marika io na tsia, dia iaraha-mahita toy ny tafika andrefan-tanàna ny fihomboan’ny fahasahiranan’ny Malagasy, indrindra fa taorian’iny aretina covid 19 namely teto iny. Tsy i Madagasikara ihany no nianjadian’ny Covid 19 fa ny akon’izany, na tsy namono olona an’aliny teto aza io aretina io, dia  saika niandronan’ny rihitry ny vokadratsin’iny aretina iny avy amin’ny firenena maneran-tany isika.

Ny ako nateraky ny fikatonan’ny tontolom-pizahantany teto, ny orin’asa voatery nikatona na vanim-potoana tsy lavabe aza, ny fihenan’ny fahafaha-mividin’ny olom-pirenena maro, ny fihomboan’ny tsy an’asa na very asa, ny olana nateraky ny fiovaovan’ny toetrandro  sy ny hain-tany teo amin’ny tontolom-pamokarana, indrindra ny fambolena dia saika nitaraika avokoa ny fitomboan’ny olona voasokajy ho mahantra.

Ny mari-pamantarana ny fahantrana moa dia ny fihenan’ny  vola miditra isam-batan’olona isanandro. Raha namaritra ny Banky iraisampirenena fa ny olona iray ao anatin’ny firenena iray izay mandray latsaky ny 2 Dolara isanandro dia voasokajy ho firenena mahantra ilay tany. Ny teto amintsika, 1, 5 Dolara isanandro no voataratra fa vola miditra isam-batan’olona ho an’ny 90%-n’ny Malagasy, fa nihena io 1, 5 Dolara isan’olona isanandro io ary nitombo ilay 90%.

Isan’ny ahafahana mitaratra ny taham-pahantrana koa ny fihenan’ny vahoaka afaka mitsabo tena araka ny tokony ho izy , ny fihenan’ny tahan’ny ankizy afaka mandranto fianarana any an-tsekoly. Ao koa ny fihenan’ny tahan’ny olona misitraka rano fisotro madio sy manana lava-piringa araka ny tokony ho izy.

Ny antony niteraka ny fahantrana teto aloha dia efa niaraha-niaina ary tsy niova akory izany, ankoatry ny voka-dratsin’ny Coronavirus, tato anatin’ny roa taona farany.

Isan’ny tompon’antoka amin’izao fahantran’ny vahoaka izao aloha ny Banky Mondialy sy ny FMI ary ireo firenen-dehibe ambara fa “miara-miombona antoka amintsika”. Etsy ankilany, tsy azo tsinontsinoavina ny vokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fanamparam-pahefana ary ny kolikoly.

Izany rehetra izany dia azo nosorohina ny sasany na ny maro aminy raha tena mpanao politika sady tena tiatanindrazana ny mpitondra isan’ambaratonga sy tompon’andraikitra isan-tsehatra, na ara-panjakana na ny tsy miankina.

Tokony tsy nitombo toa izany ny isan’ny mahantra eto fa tokony nihena aza, na teo aza ny aretina coronavirus,

raha nanana politikam-pirenena momba ny fampandrosoana ny mpitondra. Iray goavana ao anatin’izany ny fiarovana ny harem-pirenena fa tsy navela norobain’ny mpanani-bohitra mpandroba, toa an’Ambatovy sy ny QMM ary ny volamena mbamin’ny vatosoa sarobidy eto.

Toraka izany koa, na tato anatin’ny roa taona farany ihany koa aza, mba nomena tosika goavana ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana.

Enga anie mba tsy ho matoan-dahatsoratra any amin’ny tany efitra ny ataonay eto.

Tohanana

Lire aussi