Publié le 09 décembre 2021
Misy fotoana tsy maintsy ho vonjen-dRazefa amin’ny alatsinainy hoavy izao. Andro fiasana, anefa, io andro io. Fantany fa tsy avelan’ny Lehibeny izy raha miera.
Nahita hevitra izy, ka izao no fomba nentiny tao amin’ilay Lehibeny :
– Tsy hiasa kely aho, tompoko, amin’ny Alatsinainy izao !
– Fa nahoana ?
– Satria… ho safotra aho amin’io andro io, tompoko !
– ????