La Gazette de la grande ile

Fety faran’ny taona : Niharihary ny fanararaotan’ny mpivarotra

Publié le 03 janvier 2022

Tsy mahay mifampitsinjo ny Malagasy ary manaporofo izany ny fanararaotana diso tafahoatra avy amin’ireo mpivarotra, nandritra ny faran’ny taona teo. Samy nahita sy nahatsikaritra angamba ny mpanjifa rehetra fa nidangana avokoa ny entana rehetra teny an-tsena, indrindra fa ny sakafo. Raha ovy novidiana 1000 ariary ny kilao, herinandro mialoha ny faran’ny taona, dia niakatra 1500 ariary izany tamin’ny zoma 31 desambra lasa teo. Ny atody novidiana 600 ariary lasa 700 sy 800 ariary. Torak’izany koa ny vidin’ny hena dia saika niakatra daholo ny vidiny tamin’ny faran’ny taona. Marina fa efa ho volana vitsy izay no tsy nitsahatra nisondrotra ny vidin’entana eto amintsika, saingy hita miharihary ihany koa ny fanararaotana diso tafahoatra avy amin’ireo mpivarotra

F.T

Lire aussi