La Gazette de la grande ile

Inty sy nday : Aza vonoina ny vahoaka !

Publié le 05 janvier 2022

Raha ny foto-kevi-dehibe maha-fanjakana ny fanjakana no ifotorana dia ny famelomana ny vahoaka, ny fandaminana ny fiainam-piaraha-monina, ny fampivelarana ny maha-olona ny olona… izany no zara-asa aman’andraikiny. Hita taratra izany any amin’ny firenena maro maneran-tany fa ny eto amintsika kosa, nanomboka tany amin’ny 1895 tany, fotoanan’ny fanjanahantany, mandrak’ankehitriny, dia tsy izany foto-kevi-dehibe izany loatra no hita sy iainan’ny ambanilanitra fa ny mifanohitra amin’izany. Sanatriavin’ny vava, toa famonoana olona. Tsy ny fitifirana olona toy ny tamin’ny 29 Martsa 1947 na ny 1 Aprily 1971 na ny 13 May 1972 na ny 10 Aogositra 1991 na ny 7 Febroary 2009 ihany no antsoina hoe “fanjakana mpamono olona” fa ny fampahantrana azy koa, ny famelana ny vahoaka ho mosarena, ho kere, ny famelana azy hopotehin’ny dahalo, ny fijerena fotsiny ny loza isan-karazany mety handripaka ny mpiara-belona.
Fa endri-pamonoana vahoaka koa ny tsy fandraisan’ny fanjakana fepetra matotra eo anoloan’ny areti-mandoza, ny tsy fahafahana manavotra ny fokonolona ao anatin’ny loza voajanahary, ny famelana ny areti-mifindra hihanaka…

Etsy ankilany, ary nitranga izy ity nandritra ny 120 taona, dia ny famolosana velona ny vahoaka amin’ny fampidanganana na famoronana ny hetra takiana aminy.

Herinandro maromaro lasa izay izahay teto no nampiaka-peo fa tena tsy rariny sy tsy hitsiny intsony ny fidangan’ny hetran-trano takian’ny fanjakana amin’ny vahoaka. Amin’izao fotoana dia ny hetra alaina amin’ny mpanao asa-tena indray no ahenoana feo fa tena nampidanganan’ny fitondram-panjakana. Toraka izany ny hetra tambatra na “impot synthétique”. Fa isan’ny tena mikaikaika koa ireo misahana tobim-pivarotam-panafody madinika ho an’ny vahoaka any ambanivohitra na ny “dêpot de medicaments”. Tena ara-bakinteny ny hoe “na ireo mpivaro-panafody antsoina hoe “farmasia” izay mikirakira vola anjatony tapitrisa isam-bolana aza dia tsy hahatakatra ny hetra takian’ny fanjakana amin’ireo tobim-pivarotam-panafody madinika any ambanivohitra. Izy ireny dia tsy manana lelavola iray tapitrisa ariary kirakiraina akory, ary fanafody atsinjarany no amidiny ka ireo vahoaka tena sahirana no mivanga amin’izy ireny, nefa dia ampitahain’ny fanjakana amin’ireo mpandraharaha ara-toekarena mikirakira renivola an’aliny tapitrisa (quelques dizaines de milliards d’ariary) amin’ny fitakiana hetra amin’izy ireny. Amin’izao fotoana izay ilàn’ny vahoaka ny fanafody hiarovan-tena amin’ny COvid 19 indrindra koa no miseho izany.
Vantanina ny resaka fa tena famonoana vahoaka izany e! Tsy mety ve raha tsy izany no ataonareo mpitondra fanjakana? Tsy mahita loharanom-bola hiantohana ny fanatanterahanareo ny asanareo ve ianareo mpitondra fanjakana raha tsy  amin’ny alalan’ny famonoana vahoaka amin’ny hetra? Raha mba mandeha araka ny tokony ho izy amin’ny fikarakarana ny vahoaka moa ny asanareo amin’ny maha-mpitondra fanjakana anareo, inona no olana fa ny vahoaka ange no voakarakara voalohany e! Ny zava-misy dia ny filibanareo sy ny fitavananareo mpitondra no mahamaika anareo amin’ny famolosana ny vahoaka amin’ny fampidanganana ny hetrany. Ny harem-pirenena tokony harovanareo mba ho antoky ny loharanom-bola hiasan’ny fanjakana hanasoavana vahoaka, avelanareo na itsinkombakombanareo horobain’ny vahiny fa ny vahoaka efa mahantra no volosana isa-minitra amin’ny hetra. Aoka kosa fa tsy mety e! Hanenenanareo ange izao ataonareo amin’ny vahoaka izao e!

Tohanana

Lire aussi