La Gazette de la grande ile

Lava Maso

Publié le 20 janvier 2022

– Fa inona indray Razefa ireny korontana niseho tao aminareo tamin’ny alina ireny ? … Tena tsy nisy natoriana mihintsy, marina e !

– NTSS ! … Mandreraka mihitsy ianareo vehivavy itony-kah !

– Izahay vehivavy ahoana e ?

– Ka ny nahatonga ny fifamalianay sy Zety vadiko, dia izao  : hhitanao, moa f’itony varo-barotra hani-masaka kely, toy ny « Lasopy … Composé » itony no mba fidiram-bolanay. Indraindray, mandeha; indraindray dia mitaninandro fotsiny. Tsy nandeha ary, ny varotra omaly. Velona teo ny taim-bava. Lehilahy tsisy ilana azy é ! … Lehilahy toa izao sy toa izao e !. Ny teny ratsy ami-zany, tena variraraka ! … Izaho angaha, mamaly !

– Ka tokony hazavainao kosa, anie, hoe : Tsy TOUS LESJOURS dia FETIN’NY ANKIZY foana e ! Ianao no loham-pianakaviana. Aza mandefitra foana, fa MIJOROA AMIN’NY MAHA-LEHILAHY anao e !

– Aza miteniteny ratsy eo ianao Rabertine a !

– Miteniteny ratsy ahoana ?

– Izaho, angaha, tsy manana tongotra ijoroana no tadiavinao ny MAHA-LEHILAHIKO NO IJOROAKO !

– ???

Lire aussi