La Gazette de la grande ile

Antoko Tgv : Tsy matotra

Publié le 22 janvier 2022

Raha nisy rafitra politika niovaova anarana teto Madagasikara dia ny TGV no lohany. Tany amboalohany dia nalaza ny Tgv indrindra tamin’ny fifidianana ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny 2007. Nitondra dimy taona tao anatin’ny Tetezamita ny TGV dia niova ho “Mapar” (Miaraka amin’ny prezida Andry Rajoelina). Tafakatra teo amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina izay notohanany, dia niofo ho “Armada” indray. Rehefa  hiatrika fifidianana indray tamin’ny 2018 dia ny voambolana “IEM” no narangaranga ary nasandratra ny “Velirano”. Tsy re intsony izany Tgv na Mapar na Armada izany. Rehefa hiditra tamin’ny fifidianana solombava indray dia navoaka ny hoe “IRD” (Isika rehetra distrika). Hiatrika fifidianana ben’ny tanàna dia “IRK” (Isika rehetra kaomina). Hiatrika fifidianana loholona dia “IFI” (Isika rehetra fikambanana). Atsy ho atsy indray dia re ny hoe “FAR” (Fitiavana an’i Andry Rajoelina). Tsy fantatra intsony.  Dia mihevitra ve ny manam-pahaizana momba ny politika any amin’ny farantampony any ka hatramin’ny olom-pirenena tsotra any ambanivolo any fa fahamatorana politika izany? Ny marina dia tetika hoenti-mamitaka vahoaka avokoa ireny.

Tsimba

Lire aussi