La Gazette de la grande ile

CUA : Tara ny fandraisana andraikitra

Publié le 22 janvier 2022

Dokotera aorian’ny fahafatesana foana. Omaly no niroso tamin’ny fandravana ireo fanorenana tsy ara-dalàna manamorona ny lakan-dranon’Andriantany ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Teny amin’ny fokontany Morarano Alarobia ao anatin’ny boriboritany faha-5 no nanombohana izany, omaly maraina, ary mbola hitohy amin’ireo fokontany hafa manamorona an’iny lakan-dranon’Andriantany iny ny fandravana. Voakasika amin’izany avokoa moa na ny trano biriky na ny trano azo tsy ara-dalàna, izany hoe ireo tsy nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny kaominina.

Mazava ho azy fa ho fisorohana ny fiakaran’ny rano eto Andrenivohitra no tanjona amin’izany. Tsy miova mihintsy ny fomba fitantanana eto amintsika fa rehefa mitranga foana loza vao mihazakazaka mandray andraikitra ny Fanjakana sy ny kaominina. Tsy nisy nahafantatra mihintsy ve ireo teknisianina eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa mety hampidi-doza ireo trano tsy ara-dalàna niorina amin’ny sisin’ny lakan-dranon’Andriantany matoa tsy noraisina mialoha ny fepetra. Samy mahalala daholo mantsy ny rehetra fa tsy maintsy misy isan-taona ny vanim-potoanan’ny fahavaratra ary mety hisy ny orambe sy ny rivo-doza.

F.Tsihiavonana

Lire aussi