La Gazette de la grande ile

Akom-baovao samihafa : Ambasady malagasy ao Paris

Publié le 22 janvier 2022

Notapahana ny karaman’i Rinah Rakotomanga. Ny 22 jona tamin’ny taon-dasa no voatendry ho mpanolotsaina ao amin’ny ambasady malagasy any Paris i Rinah Rakotomanga izay talen’ny serasera sy ny fifandraisana teo anivon’ny fiadidiana ny repoblika teo aloha. Tsiahivina ihany fa tamin’ny fotoana nivoahan’ny raharaha kolikoly avo lenta niseho tao amin’ny orinasa SMMC (Société de Manutention des Marchandises conventionnelles) any Toamasina no nanendrena azy ho mpanolotsaina ao amin’ny ambasady any Paris. Araka ny fantatra dia efa herinandro maromaro izao no noesorina tamin’io toerana io i Rinah Rakotomanga, ary efa notapahana ny karamany araka ny baiko nomen’ny filoham-pirenena.

F.T

Lire aussi