Publié le 22 janvier 2022
Faktioran’ny Jirama tamin’ny tokatrano maromaro avy amin’ny boriborintany faharoa sy voalohany ary ny eny Avaradano sy Atsimondano no nanaovana fanadihadiana omaly zoma. Nanjavoana tsy mbola naharay ny faktioran’ny jirama volana desambra 2021 sy ny janoary 2022 ireo tokatrano nanontaniana ireo . Rehefa hanapaka jiro na rano ny Jirama araka ny feon’ny mpanjifa izay nanontaniana dia tonga ara-potoana tsy misy an-daharana. Matetika dia toy izany hatrany ny zava-misy amin’ny tamberan’andraikitra omen’ny Jirama ny mpanjifa izay mamelona azy. Manahy izay fitambarana faktiora roa volana midangana be izay ny mpanjifa. Sao mba misy hafetsena mihoapampana tiana hanararaotana ny mpanjifa kosa ao, kanefa efa tsy misitraka ny kalitao ara-dalàna na rano na ny jiro?. Toy izany ny tranga iray nihatra tamin’ny orinasa « La Gazette de La Grande Ile » tao anatin’ny herintaona izay. Simba tanteraka ny fitaovana lehibe sady matanjaka mamokatra herin’aratra mampandeha ny milina (groupe electrogene) vokatry ny fahatapahan’ny jiro lavareny isan’andro. Tapaka noho izany ny asa rehetra tao amin’ny Trano fanontana ny gazety ary fatiantoka no sandan’izany. Tsy ny « La Gazette de La Grande Ile » ihany no niharan’izany olana lehibe izany fa mpanjifa maro izay velon-taraina hatrany. Tsy nitarain-tana-mihepaka ny mpanjifa tratran’ny fahapotehan’ny fitaovana na entana ao an-trano. Nanolo avy hatrany mba hampiodinana ny orinasa vaventy na madinika satria mamelona mpiasa maro be izy ireny.
Misy ny toerana sasany dia ny tompona kaontera ihany no manatitra izany eny amin’ny foiben’ny Jirama. Hita mandalo kosa ny mpiasa hafa eo anivon’ny Jirama, mandray an-tsoratra ny laharam-pandaniana farany eo amin’ny kaontera. Jereo koa fa misy manana olana koa ireo mpanjifa mpampiasa ny fandoavana izany amin’ny alalan’ny tambanjotran’ny Jirama (siteweb), satria tsy afa-po amin’ny famaliana ny filàn’ny mpanjifa ny Jirama. Ny antony nampiasana ny tambanjotran’ny Jirama mantsy dia hanamaivana ny fahasahiranana sy ny fandaniam-potoana eny.
Soarak