Publié le 27 janvier 2022
MIHIRA I RAZEFA … MAMALY RABERTINE :
– RAZEFA : Aza miala amin’ny maro…
RABERY : Zaza telo, àry, mila tsy ho velona, ka eo ianao no …
– RAZEFA : Ekeko fa voatokana ho ahy
RABERY : Lovian-tsaka, anie, io misy ny varinao io e !
– RAZEFA : Ry fanadinoana ô avia !
RABERY : Aleo koa izay e ! … Ho tratry ny tompom-bady manko raha ela ny ela !
– RAZEFA : Ambohimanga io, raha toa tsy fantatrao !
RABERY : Fa hatramin’ny hoviana indray ianao no nilatsaka ho mpitondra mpizahatany ?
– RAZEFA : Rehefa mamony ny zakarandà…
RABERY : Tsyfampihaingoana fasana ireny, r’ilay kisoalahy ity a !
– RAZEFA : Tsy hoadinoko mihintsy izay takarivariva izay
RABERY : Ilay ianao saiky voadaroky ny andrimasom-pokonolona, satria « mipipy » teo am-dodi-tranon’olona ve ?
– RAZEFA : Tiako loatra ny miaraka aminao …
RABERY : apetrajo aloha ny « cache bouche » sao mamindra « CORONA » !
– RAZEFA : Avy mangataka izahay … izahay … izahay !
RABERY : Eny amin’ireny lalana be ambotaiazy ireny manao an’izany e !