La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday : Noravain’i Edgard ny “Loharano”

Publié le 27 janvier 2022

Mandia vanim-potoana manahirana kokoa indray ny fiaraha-monina Malagasy amin’izao fotoana. Ny aretina coronavirus izay tsy mbola fongana dia mamely indray koa ity ny loza voajanahary nateraky ny ora-mikija sy ny rivo-doza. Maro, an’aliny ny tra-boina, raha ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina.

Misy ny fotodrafitrasa tra-pahavoazana, toy ny fahatapahan-dalana. Ny trano fonenana rava koa dia maromaro ihany.

Eo anatrehan’izany dia tsy kely lalana koa ny mpanararaotra ka isan’izany ny filalaovana ny ain’ny mpiara-belona amin’ny vidin-javatra. Ny minisitry ny varotra, Edgard Razafindravahy, dia nanentana ny rafitry ny fokontany mba hanangana “cellule de crise” mba hanara-maso ny tontolon’ny famatsiana ny kojakoja iankinan’ny fiainana andavanandron’ny  mpiray tanindrazana.

Foto-kevitra mavesa-danja ny fampiantsorohana andraikitra ny rafitra ifotony, eny anivon’ny fokonolona. Tsy ny fampiantsorohana andraikitra ihany anefa no tokony homena ny fokonolona eny anivon’ny fokontany fa ny fanomezana azy ny hasina sy ny zony ihany koa.

Ny tontolon’ny fitantanana ankapobeny ny fiaraha-monina izay mirafitra ho firenena dia tsy hahita-pahombiazana raha tsy miainga eny anivon’ny fokonolona.

Tamin’ny taona 2020, raha sahirana ny fiaraha-monina tamin’ny fiahiana ara-tsakafo sy ny kojakaoja ilain’izy ireny amin’ny fiainana andavanandro, noho ny fihibohana, dia nisy ny tolo-tanana sy fitsinjovana ny olom-pirenena nataon’ny fitondram-panjakana. Tamin’izany dia nampanangana rafitra teny anivon’ny fokontany ny filohampirenena amba handaminana sy hanaraha-maso ary hametrahana ny fahamarinana amin’ireny famatsiana isan-tsokajiny. Io ilay “Komitin’ny Loharano”. Mbola taratry fanomezana lanja sy hasina ny rafitra ifotony eny anivon’ny fokonolona koa izany.

Mba hampanjary sy hampahomby kokoa ny asa afototra eny anivon’ny fokontany dia tsara kokoa raha misy ny fanabeazana (education) sy fanentanana (animation et sensibilisation) ny fokonolona ary apetraka ny lamina aman-drafitra (organisation). Mila mifamatotra sy miara-miasa ny rafitra antanan-tohatry ny fiaraha-monina isan’ambaratonga sy ny rafitry ny fokonolona mba hivainganan’ny vokatra kasain-kotratrarina. Tsy mandeha ho azy akory ny fametrahana izany “Cellule de crise” izany, ary izay no toa tsy nampahomby an’ilay “Komitin’ny Loharano”.

Na hovaina isa-taona aza ny anarana ampisalorana ny rafitra toa izany, ary na hovoizina isanandro vaky aza ny lanja aman-kasin’ny rafitra eny ifotony, eny anivon’ny fokonolona, raha tsy misy lamina ary raha tsy mirotsaka an-tsehatra noho ny faharesen-dahatra ao anatiny ny olom-pirenena dia ho zava-poana ny hiseho; ary tsy hahitam-bokatra ny nimasoana. Tsy ny resaka famatsiana sakafo na kojakojam-piainana andavanandro ihany no tokony omena ny rafitra ifotony fa ny lafim-piainana andavanandro mihitsy, dia ny fandriampahalemana, ny toekarena (Vatoeka), ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fikojakojana ny fotodrafitrasa… Izany no tena fitsinjaram-pahefana mahefa, ary ho taratry ny “Fokonolona mandray fahefana”

Aoka koa tsy ny teny manaitra (slogan)  izay tena ankamamian’ny rehetra, dia ny raharaha miainga ifotony, no apololotra isanandro fa ataovy izay hisian’ny vontoatiny hahitam-pahombiazana.

Tsimba

Lire aussi