La Gazette de la grande ile

Akom-baovao : Fandorana zetra tany Alaotra, Takian’ny mponina ny famonjana ireo manam-pahefana roa

Publié le 27 janvier 2022

Raharaha mbola mitàna ny sain’ny vahoakan’Ambatondrazaka ny nampidirana am-ponja vonjimaika ny ben’ny tanàna ao an-toerana sy ireo namany sivy, tamin’ny herinandro lasa teo. Raha tsiahivina dia miisa 12 ireo olona notorian’ny VOI (Vondron’olona Ifotony) ho nandoro zetra tao amin’ny farihin’Alaotra ka tafiditra tao anatin’izany ny ben’ny tanàna, Roger Ratianarivo. Akaotra ny ben’ny tanàna, voapanga tamin’ity raharaha ity ihany ny tompon’andraiki-panjakana ambony roa izay mpiasa eo anivon’ny fitaleovam-paritry ny mponina any Alaotra Mangoro. Ny zava-misy anefa dia nampidirina am-ponja vonjimaika daholo ireo voapanga rehetra ankaotra ireo manam-pahefana roa izay nomena fahafahana mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Tsy mankasitraka izany ny mponina ao Ambatondrazaka satria mitovy daholo ny vesatra hanenjehan’azy ireo kanefa misy no naiditra am-ponja vonjimaika ary misy kosa no nomena fahafahana vonjimaika. Taian’izy ireo noho izany ny tokony hampidirina am-ponja ireo tompon’andraiki-panjakana ambony ireo ihany koa.

Lalao.R

Fiangonana : Sokafy idiran’ireo traboina

Nitondra takaitra lehibe teto amin’ny firenena ny fandalovan’ilay andro ratsy, ny alahady sy ny alatsinainy lasa teo. Tsiahivina ihany fa maherin’ny enina alina ny isan’ireo traboina eran’ny Nosy noho ny fiakaran’ny rano. Ny zavatra hita sy tsikaritra dia sahirana amin’ny fampiantranona ireo traboina ireo Fanjakana. Manoloana izany indrindra dia tokony ho sokafana mba hidiran’ireo traboina ny fiangonana ka ny Fanjakana mihintsy no tokony hanery azy ireo. Fiangonana maro no manana efitrano malalaka tsara eto amintsika, ary tokony hisy ny fandraisana andraikitra avy amin’ireo mpino satria ao anatin’ny foto-pinoana kristianina ny fitiavana ny mpiara-belona.

F.T

Lire aussi