La Gazette de la grande ile

Analakely sy ny manodidina : Mafotaka ny fanenjehana mpivarotra amoron-dalana

Publié le 10 février 2022

Olana tsy mety voavaha mihintsy hatramin’izao ny fisian’ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna eto Andrenivohitra, indrindra fa eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina. Taorian’ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona teo dia niroso tamin’ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana ny kaominina Antananarivo Renivohitra saingy ny zava-misy aloha hatreto, toy ny efa fahita hatramin’izay dia tsy sarotra ho an’ny kaominina ny fanadiovana. Mihezaka ihany ireo pôlisin’ny fivondronana kanefa tsy manaiky mora ihany koa ireo mpivarotra amoron-dalana, hany ka lasa toa ny saka sy voalaza ny andaniny sy ny ankilany, isan’andro. Vao mipoitra ny fiara mitondra ireo mpiasan’ny fivondronana dia miafina na vaky mandositra ireo mpivarotra, avy eo miverina mamelatra entana indray ireto farany vao dify ny mpanenjika azy ireo. Izany foana ny zava-misy eny Analakely sy ny manodidina, ankehitriny, ary raha ny fahitàna azy dia tsy hisy fiafarany mihintsy satria ny toe-draharaha ara-tsôsialy sy ara-toekarena misy eto amin’ny firenena mihintsy no fositra mahatonga izany

F.T

Lire aussi