La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday : Tsy ahombiazana mihitsy ny raharahan-ketra eto

Publié le 10 février 2022

Lafin-draharaha iray isan’ny maha-firenena ny firenena hatrany ampiandohan’ny antsoina hoe “fanjakana” ny hetra. Na ny Baiboly aza dia miresaka hetra. Ny toe-tsaina nifotoran’ny antsoina hoe “hetra” tany amboalohany dia ny hoe “misy raharaha ataon’ny mpanjaka ka mba hamitana izany raharahan’ny mpanjaka izany dia itakiana hetra ny olom-pirenena”.

Manana endrika maro ny hetra. Ao ny vola fa ao koa ny vokatra. Ny sata-bary atolotra ny mpanjaka teto Madagasikara fahiny, dia endriky ny hetra.

Taty aoriana, rehefa nivoatra ny raharaham-piaraha-monina dia tsy ny didin’ny mpanjaka intsony no mandrafitra ny lalàna fa ny solontenan’ny vahoaka, izay nantsoina hoe “solombavambahoaka” na “depiote”. Fony mbola ny mpanjaka no mandidy ny lalàna dia ny mpanjaka izany no mamoaka lalàna mamaritra ny hetra alaina amin’ny vahoaka fa rehefa nomena sehatra ny Fitondrana Manjaka  vahoaka (Repoblika) dia ny vahoaka no manao ny lalàna ka mifidy izay ho solontenany (Depiote). Ny vahoaka mpandoa hetra izany no mamaritra ny hetra alaina aminy sy ny karazan-ketra na karazan-javatra itataovan-ketra, ary ny fomba andoavany azy. Ny vahoaka (depiote) koa no manome alalana ny mpitondra amin’ny fampiasana ny hetra nalaina taminy.

Sarotra anefa ny mandrafitra ny lalàna momba ny hetra . Hany ka matetika dia ny mpitondra fanjakana foibe hatrany no mandrafitra azy dia mankato azy na mitondra fanitsiana kely ny vahoaka (depiote). Hatrizay dia saika mikaikaika ny vahoaka itakiana hetra. Ny antony dia tsy tsapan’ny “mpandoa hetra” loatra ny tena nampiasana ny vola naloany ho hetra. Raha ny tokony ho izy dia ny hetra nampandoavina ny vahoaka no ikarakarana ny vahoaka, iantohan’ny fanjakana ny tontolo misahana ny fampandriana fahalemana ny fiaraha-monina, ny fandavorariana ny fampianarana ny zanany, ny fiantohana ny fitsaboana azy vahoaka raha marary, ny fananganana ny fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka, ny analefahana ny fahasahiranan’ny vahoaka amin’ny endriny maro, sy ny tsy ho voatanisa. Izay ilay hoe “tsy nahavita ny tamberin’andraikitra tokony nataony tamin’ny vahoaka ilay mpitondra”.

Vao mainka mihasarotra ny raharaha amin’ity resaka hetra ety eto amintsika. Ny antony dia teren’ny mpampanjana-bola iraisampirenena ny teknisiana Malagasy hanaraka ny sitra-pon-dry zareo vahiny amin’ny tontolon’ny hetra. Ny mpitondra fanjakana rahateo, izay tokony ho mpiaro ny vahoaka , dia tsy manana ny antsoina hoe “politikam-pirenena momba ny hetra”, ka lasa manaiky anjambany ny hevitra lazain’ny teknisiana, izay fitaovana mahombin’ny mpampanjana-bola iraisampirenena.

Ny tanjon’ny mpampanajan-bola iraisam-pirenena dia ny hanerena ny vahoaka faran’izay tratra mba handoa hetra. Ny sandan’ny hetra tsy maintsy ampitomboina. Dia tsy mahagaga raha midangana ny hetran-trano, sy ny hetra isan-tokony. Ankoatra izay, terena koa ny fanjakana hijery ny zavatra rehetra ananan’ny vahoaka sy ny hetsika rehetra ataon’ny vahoaka…mba ampitataovin-ketra. Ilay vahoaka anefa, sady tsy mahita mangirana ny takalon’ny hetra nampandoavina azy no efa mahantra, fa terena hatrany. Etsy ankilany, tsy ny hetra ihany no tokony hiantoka ny fampidiram-bola ho an’ny fanjakana hiantohan’ny fanjakana ireo adidiny sy andraikiny rehetra amin’ny vahoaka fa ho antsika Malagasy manokana dia manana tombony manokana isika noho isika nomen-janahary harena tsy hita pesipesenina. Tsy tafiditra ho isan’ny loharanom-bolan’ny fanjakana anefa ireny fa itsikombakombana amin’ny mpampanjana-bola iraisampirenen a mba horobain’ireo rantsa-mangaikany. Tsy mahagaga raha efa tsy ahitam-pahombiazana ny hetram-panjakana nefa ny harenan’ny vahoaka voaroba.

Tohanana

Lire aussi