La Gazette de la grande ile

Hajo Andrianainarivelo : Mampitandrina ny mpitondra fanjakana

Publié le 28 février 2022

Iray amin’ny mpiara-dia tamin’ny filohampirenena ankehitriny hatramin’ny taona 2009 , tamin’ny fitarihana ny hetsi-bahoaka teto i Hajo Andrianainarivelo. Voatendry tao anatin’ny fitondram-panjakana hatrany izy na tamin’ny tetezamita na ankehitriny. Nanangana antoko politika izy dia ny Malagasy Miara-Miainga (MMM). Hatramin’ny nitsanganan’ny MMM tamin’ny tetezamita dia nosokajian’ny sokajin’olona sasany mpiara-dia amin’ny filohmpirenena ankehitriny ho “mpifaninana politika” na “fahavalo politika” mihitsy ny MMM sy i Hajo Andrianainarivelo. Ny akon’izany dia ny fanilikilihana sy ny fanaovana hazalambo ny mpikatroka MMM any amin’ny sehatra isan-tokony, na eo anivon’ny rafi-pitondrana foibe na any amin’ny ambaratongam-pitantanana any amin’ny faritra.

Tsy re feo ny MMM tao ho ao ka tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo iny, nandritra ny fambolen-kazo teny Ambohijanaka Avaradrano nataon’ny MMM dia nampiaka-peo i Hajo Andrianainarivelo fa “misy ny fotoana hitenenana ary misy koa ny fotoana hikombonam-bava”.

 “ Mampitandrina anareo manam-pahefana sasantsasany amin’ny fitantanam-panjakana isan’ambaratonga izahay ”, hoy izy, fa iaraha-mitantana izao fitondrana izao satria vahoaka no nametraka ny MMM ao anatin’ny rafitra isan-tsehatra. Manana ben’ny tanàna 300 ny MMM ary mpanolotsainan’ny tanàna amin’arivony, manana depiotre sy loholona ihany koa. Vahoaka, hoy i Hajo Andrianainarivelo, no nifidy an’ireo ka atsaharo ny fanilikilihana sy ny fanenjehana na ny fandrorana tsy maimbo ny MMM.

Raha akapoka ny hevitra isan’ny navoitran’i Hajo Andrianainarivelo dia fampitandremana ny mpitondra fanjakana na ny manam-pahefana ara-panjakana sasany mba hahay hitandro ny fihavanana sy ny firaisankiana amin’ny andraikitra iaraha-miantsoroka eo anivon’ny fitantanana ny firenena fa tsy afaka mihambo ho tompony samirery ny mpiara-dia amin’ny filohampirenena.

Ny mpitazana dia mahatsikaritra fa “ho sahirana ny filohampirenena ankehitriny raha toa ka misintaka tsy manohana azy intsony ry Hajo Andrianainarivelo”.

Tohanana

Lire aussi