La Gazette de la grande ile

Kolikoly : Ny depiote no tena fositra

Publié le 28 février 2022

Tsy mbola nisy minisitra nigadra  nohon’ny raharahan’ny kolikoly sy ny fanodikodinana volam-bahoaka teto Madagasikara. Voaporofo fa misy ny fanodikodinana volam-panjakana ataon’ny mpikambana ao anatin’ny governemanta.  Porofon’izany ny fisian’ny dôsie marobe mikasika ny fiampangana minisitra maromaro tao anatin’ny governemanta Hery Rajaonarimampianina izay eny amin’ny lapam-panjakana eny Tsimbazaza. Isan’ny tafiditra amin’ity raharaha ity ny Praiministra teo aloha Mahafaly Olivier Solonandrasana, ny minisitry ny fahasalamana Mamy Lalatiana, ny minisitriy ny Tanora sy ny fanatanjahantena Anicet Andriamosamanana, ny ny minisitry ny paositra Maharante Jean de Dieu, ny minisitry ny vola Gervais Rakotoarimanana  sy Ionitina Realy  minisitry ny mponina sy ny maro hafa koa izay nalefa any amin’ny depiote tamin’ny taona 2020 nefa dia maty momoka fotsiny ao. Tsy nisy nilana azy ny HCJ (Fitsarana avo) noho izany. Raha ny resaka mandeha amin’io raharaha io dia mifono kolikoly avolenta ao amin’ny biraon’ny antenimierampirenena sy ny vaomiera miandraikitra izany ity raharaha ity. Tsy ireo ihany fa nampanginin’ny fanjakana ankehitriny ny raharaha fanodikodinam-bola nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay notsarana  ny taona 2010 ka nanagadrana azy hiasa an-terivozona sy migadra mandritry ny 10 taona.

Ireo dia ohatra vitsy amin’ny filazana fa mahazo mangalatra ny filoham-pirenena , ny mpikambana ao anatin’ny governemanta fa resaka adala fotsiny ny filazana ao anaty ny PGE (politika ankapoben’ny fanjakana) izay nofidin’ny depiote tamin’ny 2019. Adradradradra amin’ny andininy voalohany amin’ity lalàna  ity fa hiady tsy misy indrafo amin’ny heriny rehetra amin’ny kolikoly ny fanjakan amin’izao fotoana izao io. Amin’ny laharana faha 149 amin’ny firenena 180 isika tamin’ny taona 2020 ary niakatra kely 147 tamin’ity taona 2022 ity hoy ny fanadihadiana  nataon’ny “ Transparency International”.

Feno mpangalatra ny fonja eto Madagasikara. Ny ao Antanimora eto Antananarivo fotsiny ihany no mahatratra 4000 mahery. Tsy misy olona ambony nanao kolikoly ireo na iray aza. Tsy hita izay ilaina ny Bianco (birao mahaleontena miady amin’ny kolikoly).

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi