La Gazette de la grande ile

Fidangan’ny vidim-piainana : Tsy vahaolana i Edgard Razafindravahy

Publié le 08 mars 2022

Raha misy ny zavatra iray tena nanamarika ny fitondrana mijoro ankehitriny dia voalohany amin’izany ny fiakaran’ny vidim-piainana. Tsy tongatonga ho azy izany fa vokatry ny valan’aretina Covid-19 nisy eran-tany izay nitondra takaitra lehibe teo amin’ny toekarena iraisam-pirenena. Saika voakasik’izay fisondrotry ny vidim-piainana (inflation) izay avokoa ny firenena rehetra, saingy ny any amin’ny firenen-kafa mba manana fahefa-mividy ambonibony ny vahoaka fa tsy tahaka ny Malagasy izay voasokajy ho mahantra indrindra maneran-tany. Midangana izay tsy izy ny vidim-piainana eto amintsika, ary any amin’ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) mihintsy no voakasik’izany ka mampitraina mafy ny mpanjifa.

Matoa nosoloina ny minisitry misahana ny varotra sy ny fanjifana tamin’ny fanovana ny governemanta farany, ny volana aogositra tamin’ny taon-dasa, dia noheverina fa hitondra vahaolana ny minisitra vaovao Egdard Razafindravahy kanefa tsy izay mihintsy no zava-misy eto amin’ny firenena, ankehitriny. Efa ho fito volana izao no nitantana ny ministera fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana i Edgard Razafindravahy. Maro tamin’ny Malagasy no nanantena fa tena ho voafehy ny fisondrotry ny vidin’entana. Fito volana aty aoriana, tsy mbola hita taratra mihintsy aloha hatreto ny tena vahaolana nentin’ny minisitra vaovao satria saika isan’kerinandro no miakatra ny vidin’ny entana eny an-tsena.

Mazava noho izany fa tsy vahaolana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana mihintsy ny fanendrena an’i Edgard Razafindravahy ho minisitry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana. Nisy ny vahaolana noraisin’ny fitondram-panjakana izay nilaza hanafatra entana 20 sambo, efa ny 12 tamin’ireo no tonga kanefa tsy hita izay tena vokany. Mbola ho tonga eto amintsika moa ny fiantraikan’ny ady misy any Ukraine, atsy ho atsy, ka inoana fa vao maika hisondrotra indray ny vidim-piainana.

La Gazette

Lire aussi