La Gazette de la grande ile

Amboasary Gara – Moramanga : Manjakazaka ny mpanao “kidnapping”

Publié le 11 mars 2022

Faritra imray tena hanjakan’ny fakana an-keriny (Kidnapping), ankehitriny, ny any Alaotra Mangoro ary marefo manoloana izany asan-jiolahy izany ny mpitandro filaminana any an-toerana. Iray amin’ireo kaominina tena hitrangan’izany matetika, tato ho ato, ny ao Amboasary Gara ao anatin’ny distrikan’i Moramanga. Manao sesilany ny fakana an-keriny ao amin’io kaominina io, nanomboka ny faran’ny taona 2021 teo mandraka ity ny androany.

Ny 30 sy 31 desambra lasa teo dia trangana fakana an-keriny indroa misesy no niseho tao amin’ny kao-

minin’Amboasary Gara. Olona miisa efatra no nalain’ireo jiolahy an-keriny tao anatin’ny roa andro, ary nitaky vola 150 tapitrisa ariary ireo olon-dratsy. Tao amin’ny fokontanin’Anpangambe sy Benbany moa no nisehoan’izany ary miseho tsy matahotra mpitandro filaminana mihintsy ireo jiolahy. Herinandro vitsy taorian’izay, tao amin’ny fokontanin’Amboanjo sy Ambohidava izay samy ao anatin’ny kaominin’Amboa-

sary Gara  indray no nitrangan’ny fakana an-keriny.  Ny 15 febroary lasa teo indray dia tao amin’ny fokontanin’i Mankany, kaominin’i Fiherenana no lasibatra tamin’izany. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana moa dia manodidina ny 30 lahy ireo nanao ny fanafihana tamin’io fotoana io, ary ireto jiolahy ireto ihany no tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao amin’ireo fokontany voalaza tetsy ambony ireo.

Fantatra fa efa vitsivitsy tamin’ireo mpaka an-keriny ireo no voasambotry ny mpitandro filaminana, saingy rehefa tonga eny amin’ny tribonaly ao Moramanga dia votsotra noho ny antony mampiahiahy. Ireo jiolahy nahazo fahafahana ireo indray avy eo no mandrahona ny mponina ao Amboasary Gara. Marihana fa tsy mihonona amin’ny fakana an-keriny fotsiny ireo jiolahy fa tapitra alain’izy ireo daholo koa ny vola ao an-trano sy ny entana lafo vidy. Miseho ho azy ho tsy azo hatao na inona na inona moa izy ireo ary mampihorohoro ny mponina any an-toerana. Manoloana izany indrindra dia manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana mba hijery akaiky io ny tsy fandriampahalemana manjaka ao aminy ny mponina ao amin’ny kaominin’Amboasary Gara satria dia manao ny ataony ny jiolahy, ny mpitandro filaminana anefa hita ho marefo tanteraka eo anatrehan’izany.

F.Tsihiavonana

Lire aussi