La Gazette de la grande ile

Fiainam-pirenena : Grevy dimy tao anatin’ny iray volana

Publié le 26 mars 2022

Manomboka maneho hevitra ankalamanjana ny Malagasy ankehitriny. Tsy mahazaka ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena intsony izy ireo ka voatery maneho ny heviny an-kalamanjana indray. Ny iray misongadina indrindra dia ny fitokonan’ny mpiasa sy ny mpandraharaha ary ny mpianatra eny amin’ny oniversite. Vontovorona Antananarivo, Ankatso ary Mahajanga no nahitana izany. Resaka vatsim-pianarana tsy voaloa, fandravana ny Croua no tena anton’izany. Tamin’ity volana ity koa no nanao fihetsiketsehana ny fikambanan’ny mpanjifa teo Antananarivo noho ny fisondrotry ny vidim-piainana. Ny mpiasa miadidy ny fampadehanan-draharaha tao amin’ny ministeran’ny fahasalamana koa dia nitokona tao amin’ny ministera tao Ambohidahy noho ny tsy fandehanan’ny raharaha ao intsony. Ny alakamisy faha 24 martsa lasa teo dia nitokona ihany koa ny mponina teny Imeritsiantosika mahakasika ny fanorenana ny tetikasa tanamasoandro izay toeram-ponenana vaovao eto Antananarivo. Mahatsiaro ho voafitaka ireo mponina satria tsy voahaja ny fifanarahana. Farany dia ny fitokonana nataon’ny mpandraharaha aram-pizahantany amin’ny fisokafan’ny zotram-piaramanidina avy any ivelany.

Midika  fa misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny filan’ny mponina intsony eto Madagasikara. Matoa migrevy ny olona dia mila vaha olana izany. Tsy misy io vaha olana io ka izany no antony mahatonga ireo fihetsiketsehana ireo.  Raha mitohy izao dia mety hitombo izany grevy ny volana aprily ity.

RJB

Lire aussi