Publié le 31 mars 2022
– ‘Ndao, aloha, hamely Lasopy ato, Rabertine, fa tena ramaka izany ny bandy-kah!
– Izaho koa tena noana, sady mbola tsy nisakafo maraina, nefa ny lalana mbola lavitra, ka aleo tokoa misakafo aloha!
…
– Inona no hatao ho anareo izay, Tompoko?
– Misy lasopy, ve?
– Eny, Tompoko!… TONGOTR’OMBY, sa CHINOISE?
– Ny ahy TONGOTR’OMBY, tompoko! hoy Rabertine.
– Ary ny anao, Ramose?
– TONGOTR’OMBY sy CHINOISE, moa, no misy?
– Eny, tompoko!
– Ka ataovy TONGOTRA CHINOISE izany ny ahy e!