Publié le 31 mars 2022
Nahitana fikorontanana indray ny fizarana ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny oniversiten’Ankatso, omaly. Araka ny tetiandro napetraka mantsy dia omaly alarobia no tokony nanomboka ny fizarana izany ho an’ireo mpianatra, saingy tsy izany ny zava-nisy fa nihesona fotsiny ireo mpianatra tokony nisitraka izany. Tamin’ny enina ora maraina dia efa maro ny mpianatra nilahatra teny amin’ny oniversite kanefa tsy nivoaka akory ny vola na efa hariva aza ny andro. Raha ny fanazavana azo dia tamin’ny talata hariva vao nahazo ny lisitr’ireo mpianatra tokony hisitraka ny vatsim-pianarana ny teo anivon’ny Paositra Malagasy ka izay no antony nahatonga ny vola tsy mbola nivoaka, omaly. Toe-javatra izay tsy nahafaly ny mpianatra teny Ankatso mihintsy satria maro tamin’izy ireo no tsy afaka nianatra noho ny fiandrasana an’io vatsim-pianarana io.
F.Tsihiavonana