La Gazette de la grande ile

Fitondrana : Tapi-dàlan-kaleha tanteraka

Publié le 31 mars 2022

Tsy misy zavatra mandeha intsony ny ankamaroan’ny raharaham-pirenena mba tsy hilazana hoe tsy misy mandeha intsony. Tonga amin’ny fitenenana hoe tapi-dalan-kaleha tanteraka. Tsy nahita vaha olana amin’ny fidangan’ny vidim-pianana sy ny fahantrana ny fanjakana mitondra ankehitriny. Miakatra andro aman’alina ny vidin-javatra rehetra na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany.Resaka sy fampanatenana poakaty sisa no ataon’ny minisitrin’ny varotra Edgard Razafindravaha sy ny fanjifana satria arakaraka ny filazany fa hampidinina ny vidin’ entana  no voamaika mampisondrotra izany. Mbola maizina tanteraka ny vaha olona amin’izany ary atahorana mbola hiakatra indray aza. Mbola zava-doza no hitranga raha miakatra ny vidin’ny solika.

Mahakasika ny tsenan’ny asa indray dia mitombo izay tsy izy ny olona tsy manana asa. Mitombo izay tsy izy ny mpitsipona zaoridira sy ny fako. Toa izany koa ny mpangataka. Tsy mandeha intsony fa mikatso ny fanatanterahana ny velirano.

Mahakasika ny vola Malagasy indray dia tsy mitsahatra mitotongana ny sandan’ny ariary. Ny erô iray dia lasa 4400 ariary raha toa ka 4000 ariary izany roa  volana lasa izay.Potika noho izany ny toe-karena Malagasy. Ankoatran’izany dia iarahana mahita fa lasa mivoaka an-tsokosoko teto Madagasikara koa ny volamena Malagasy fa fito taonina isan-taona no miondrana antsokosoko any ivelany  hoy ny minisitry ny harena ankibon’ny tany Rakotomalala Herindrainy Olivier izy ny faha 16 martsa 2022 teo. Ny banky foibe  anefa dia milaza fa 12 taonina isan-taona no mivoaka an’i Madagasikara ny mankany Dubai fotsiny antsokosoko. Lasa resaka kolikoly avokoa.

Mahakasika ny tsy fandriampahalemana dia miroborobo be ny fangalarana olona izao ka isan’izany ny zazavariry, ny takalonaina angalana volabe, ary ny vaky trano sy halatra isan-karazany tsy tenenina intsony.

Mahakasika ny politika indray dia ady an-trano sahady no ataon’ireo mpomba ny fanjakana. Manomana ny ho depiote sy ben’ny tanana sahady no ataon’izy ireo, tsymiraharaha ny fifidianana izay ho filoham-pirenena izy ireo. Misabaka ny Mapar sy ny TGVny ankamaroany.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi